MPAMADIKA
Olona mivadika amin’izay matoky azy; olona miamboho adidy, mamadika tanindrazana na mivadika amin’ny mpitondra. I “Jodasy Iskariota, ilay nanjary mpamadika”, no mpamadika malaza indrindra resahin’ny Baiboly. (Lk 6:16) Mety tsara hilazana azy ny teny grika hoe prôdôtes (“mpamadika”, avy amin’ny matoanteny midika hoe “manolotra; mamadika”). Lasa tia vola be sy zatra nangalatra (Jn 12:6) mantsy izy, taorian’ny nifidianana azy ho apostoly, ka namadika an’i Jesosy tamin’ny manam-pahefana, ho takalon’ny vola kely. (Mt 26:14-16, 25, 48, 49) Tsy hoe nandao azy vetivety fotsiny i Jodasy satria hoe natahotra loza ka nandositra, fa tena ninia namadika azy tamin’ireo nifofo ny ainy.—Mr 14:50.
Nantsoina hoe “mpamadika sy mpamono” ireo mpitondra fivavahana jiosy, ary rariny izany satria nampiasa an’i Jodasy mpamadika izy ireo, ary izy ireo mihitsy no nanolotra an’i Kristy tamin’ny Romanina, nefa mpiray firenena taminy i Kristy. Nandika lalàna izy ireo, ka nitsipaka ny fiarovan-tenan’i Jesosy teo anatrehan’ny fitsarana ary nitaky ny hamonoana azy, na dia tsy meloka aza izy.—Jn 18:28–19:16; As 3:13-15; 7:52.
Anisan’ny mpamadika malaza resahin’ny Baiboly koa i Ahitofela. Mpanolo-tsaina natokisan’i Davida Mpanjaka izy nefa lasa mpomba an’i Absaloma mpikomy. (2Sa 15:12, 31; 16:20-23; ampit. Sl 55:20, 21.) Nataon’Andriamanitra izay tsy hanarahana ny torohevitr’i Ahitofela mpamadika, ary namono tena izy tamin’ny farany. (2Sa 17:23) Azo inoana fa nisy olon-kafa koa nivadika tamin’i Davida. Milaza maro mantsy ny endriny hafa amin’ny teny hebreo hoe bagad (midika hoe “mivadika”) ampiasaina ao amin’ny Salamo 59:5. Maromaro ny Baiboly maoderina mandika azy io hoe “ireny mpamadika” na “ireo mpivadika.” (Sl 59:6, Kat., DIEM) Lazain’ny teny mampiditra an’io salamo io fa naniraka olona hanao andry maso ny tranon’i Davida i Saoly tamin’izay mba hamonoana azy. (1Sa 19:11-18) Mety ho naman’i Davida efa nandao azy na vonona ny hivadika taminy tao anatin’io fitsapana io àry ireo “mpamadika” resahin’ny Salamo 59:5 ireo. Mety ho izay rehetra nanohitra ny sitrapon’Andriamanitra, na teo amin’ny Israely na tsia, koa ireo “mpamadika” ireo, satria niangavy an’i Jehovah ny teny eo aloha mba handinika “ny firenena rehetra.”
Milaza ny faminaniana ao amin’ny 2 Timoty 3:1-5 fa ho betsaka ny mpamadika (gr.: prôdôtai) “amin’ny andro farany.” Nilazana ny Kristianina hoe: “Ialao ny olona toy ireny.” Tokony hankatò izany tokoa ny olona miezaka ny tsy hivadika sy hanao ny marina amin’ny zava-drehetra.—1Te 2:10; He 13:18.