(Tèla-hàrsa).
Toerana tany Babylona. Nisy olona avy any niaraka tamin’ireo nody avy tany an-tsesitany tamin’ny taona 537 T.K. Tonga tany Joda izy ireo nefa tsy afaka nanamarina hoe Israelita ny razambeny. (Ezr 2:1, 59; Ne 7:6, 61) Tsy fantatra anefa izay nisy an’i Tela-harsa.