FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Tamariska”
  • Tamariska

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tamariska
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Beri-sheba — Any ny Fantsakana dia Midika hoe Fiainana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Beri-sheba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Aravaha
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Tany Efitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Tamariska”

TAMARISKA

(tamarìska) [Heb.: ʼeshel].

Hazo madinika na lehibe izy io. Miolikolika ny vatabeny nefa marotsaka ny sampany matetika, ka toy ny hoe mibofabofaka ilay hazo maitsoririnina. Madinika sy marokoroko toy ny kira ny raviny mifanetinety, ka zara raha mamoaka hamandoana. Afaka maniry amin’ny faritra karakaina sy dongom-pasika àry ilay hazo. Misy voninkazo kely mavokely na fotsy izy rehefa lohataona, ka manova endrika an’ireo faritra karakaina. Matetika no maniry amoron-dranomasina na eny amin’ny honahona feno sira ny tamariska tia sira. Lasa kirihitrala fonenan’ny bibidia ny tamariska maro eny amoron’i Jordana. Toy ireny angamba ilay “kirihitrala matevina teny amoron’i Jordana” fieren’ny liona fahiny.​—Je 49:19; Za 11:3.

[Sary, pejy 941]

Afaka maniry any amin’ny toerana maina, hoatran’ny any Beri-sheba, ny tamariska. Namboly tamariska tany i Abrahama

Iva ny tamariska mazàna, nefa mety hahatratra 18 m ilay karazany Tamarix aphylla. Namboly tamariska tao Beri-sheba i Abrahama (Ge 21:33), nipetraka teo ambany aloky ny tamariska i Saoly Mpanjaka tao Gibea (1Sa 22:6), ary nalevina teo ambany hazobe toy izany tao Jabesi-gileada ny taolam-patiny sy ny an-janany.​—1Sa 31:13; ampitahao amin’ny 1Ta 10:12, izay ahitana hoe “hazobe” (heb.: ʼelah).

Hoy ny Pr. Joseph Weitz, manam-pahaizana momba ny fambolen-kazo any Israely: “Tamariska no hazo voalohany nambolen’i Abrahama tany Beri-sheba. Namboly hazo roa tapitrisa koa àry izahay tany, efa-taona lasa izay. Nety ny nataon’i Abrahama. Ny tamariska mantsy no anisan’ny hazo vitsivitsy maniry tsara any atsimo, na dia latsaky ny 15 sm isan-taona aza ny rotsakorana any.”​—The Reader’s Digest, Martsa 1954, p. 30.

Mitete ranoka toy ny tantely ilay karazany Tamarix mannifera, rehefa tsindronin’ny bibikely misy akorany. Io ilay “mana” angonina sy amidy amin’ny mpanao fivahiniana masina any amin’ny toerana sasany. Tsy misy ifandraisany amin’ilay tena mana nomena tamin’ny fomba mahagaga tany an-tany efitra, sy nangonin’ny Israely teny amin’ny tany anefa izy io.​—Ek 16:13-15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara