FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Syrianina-fenisianina”
  • Syrianina-fenisianina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Syrianina-fenisianina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fenisia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Alika
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Nanasitrana Zazavavy Iray sy Lehilahy Marenina i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Fampisehoana fangoraham-po tamin’ireo ory
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Syrianina-fenisianina”

SYRIANINA-FENISIANINA

(Syriànina-fenisiànina).

Fiavian’ny vehivavy iray tsy Israelita avy any amin’ny faritr’i Tyro sy Sidona, araka ny Marka 7:26. Noho i Fenisia anisan’i Syria (faritany romanina) angamba no nahatonga an’ilay teny hoe “syrianina-fenisianina.” Nantsoina hoe kananaia (a.b.t.: Kananita; nadika hoe “fenisianina” ao amin’ny TV) koa ilay vehivavy syrianina-fenisianina, satria taranak’i Kanana ny mponina voalohany tany Fenisia. Nilazana an’i Fenisia ny hoe “Kanana” tatỳ aoriana. (Mt 15:22; ampit. Prot.) Nantsoina hoe “Grika” koa ilay vehivavy satria taranaka Grika angamba.​—Mr 7:26.

Nanatona an’i Jesosy Kristy io vehivavy io, taoriana kelin’ny Paska taona 32. Tsy nitsahatra nangataka taminy izy mba hanasitrana ny zanany vavy nisy demonia. Tsy nety aloha i Jesosy, fa hoy izy: “Tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ho an’ny alikakely.” Biby maloto ny alika tamin’ny Jiosy. Tsy dia nanafintohina loatra anefa ny tenin’i Jesosy, satria nampitahainy tamin’ny “alikakely” ompiana ao an-trano ny tsy Jiosy, fa tsy tamin’ny alikadia mpirenireny eny an-dalana. Te hitsapa ny finoan’ilay vehivavy fotsiny izy. Nanetry tena ilay vehivavy, ka niaiky hoe: “Marina izany, Tompo ô, kanefa ny alikakely koa mba mihinana ihany amin’ny poti-mofo latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony.” Hita avy amin’izany fa tena nanam-pinoana izy, ka nositranina ny zanany vavy.​—Mt 15:21-28; Mr 7:24-30.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara