FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Mpilomano”
  • Mpilomano

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpilomano
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Moaba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nanjary Avo ny Tanan’i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
  • Harato Tarihina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny Fikasan’i Jehovah Hamely Ireo Firenena
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Mpilomano”

MPILOMANO

Olona afaka misosa anaty rano, rehefa manetsiketsika tanana sy tongotra. Efa nahay nilomano ny olona fahiny. (Ezk 47:5; As 27:42, 43) Nilaza, ohatra, ny lehilahy iray fa nianatra nilomano ny zanany, araka ny soratra ejipsianina tranainy. Misy koa sary mivohitra asyrianina ahitana miaramila milomano, izay matetika mihazona hodi-biby nabontsina.

Tsy maintsy nahay nilomano ny mpanarato, satria nila nisitrika tao anaty rano niaraka tamin’ny haratony indraindray. Nosintoniny nankeo ambanin’ilay harato avy eo ny sisiny mavesatra, mba hisy fanambaniny ilay harato. Toa nahay nilomano i Petera. (Jn 21:7, 8) Nanomboka nilentika sy niantso vonjy tamin’i Jesosy Kristy anefa izy rehefa nandeha teo ambony rano. Natahotra mantsy izy, ary nihetsika be tsy toy ny mahazatra ny rano.​—Mt 14:27-31.

Nanao fanoharana momba ny mpilomano i Isaia, tamin’izy naminany momba an’i Moaba. Hoy izy: “Hitoetra eto amin’ity tendrombohitra ity ny tanan’i Jehovah. Dia hohitsakitsahina eo amin’ny toerany i Moaba, toy ny fanitsakitsaka antonta-mololo eo amin’ny toeran-jezika. Ary hikapoka azy ny tanany [na haninjitra ny tanany izy], toy ny ataon’ny mpilomano mikapoka ny rano amin’ny tanany rehefa milomano. Ny tanany mailamailaka no hampietreny ny fireharehan’i Moaba.” (Is 25:10, 11) Haninjitra ny tanany hamely an’i Moaba i Jehovah, araka io andininy io sy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Misy Baiboly anefa milaza fa i Moaba ilay mpilomano. Ny Fandikan-teny Protestanta, ohatra, manao hoe: “Hipetraka amin’ity tendrombohitra ity ny tànan’i Jehovah, ary Moaba hohosihosena ao amin’izay itoerany, dia tahaka ny fanosihosena ny mololo miavosa amin’ny rano ao am-pahitra; ary ireo dia hamelatra ny tànany eo afovoan’izany, tahaka ny famelatry ny mpilomano ny tànany raha milomano; fa Jehovah kosa hampietry ny fiavonavonany, na dia kanto aza ny fahamailamailaky ny tànany.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara