FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Sidintsidina”
  • Sidintsidina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sidintsidina
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Vorona?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • “Jereo Tsara ny Voro-manidina”
    Mifohaza!—2014
  • Vorona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ahoana no Handresena ny Fahafatesana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2019
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Sidintsidina”

SIDINTSIDINA

1. [Heb.: derôhr]. Mitovy amin’ny teny hebreo nadika hoe “fahafahana” ny hoe derôhr (heb.). (Le 25:10; Is 61:1) Misy mpivaofy teny àry mihevitra fa ilazana ny sidintsidina izy io, noho izy manovaova ny fanidiny araka izay tiany, ka mahafinaritra erỳ.

Manao akany (fotaka kely natambatambatra) miendrika kaopy eny ambanin’ny sisin’ny tafon’ny trano fonenana na trano hafa matetika ny sidintsidina. Nisy nanao akany tao amin’ny tempolin’i Jerosalema fahiny, ary mbola misy toy izany any amin’ny toeram-pivavahana any Israely izao. Nasiana zava-maranitra volamena kosa ny tampon’ny tempolin’i Heroda, mba tsy hipetrahan’ny vorona.​—Ny Adin’ny Jiosy, nataon’i F.  Josèphe, V, 224 (v, 6).

Niresaka an’ireo sidintsidina nanao akany hasiana ny zanany tao amin’ny tempoly, nanodidina ny ‘alitara be voninahitr’i’ Jehovah, ny mpanao salamo tamin’izy nilaza fa manina te ho any amin’ny tokotanin’ny tranon’i Jehovah. (Sl 84:1-3) Levita tsy mpisorona mantsy izy ka herinandro iray monja isaky ny enim-bolana no mba afaka nanompo tao, nefa ilay vorona afaka nijanona tao foana. Naniry mafy hijanona ela araka izay azo atao tao an-tokotanin’ny tranolay masin’i Jehovah àry izy.

Miresaka sidintsidina koa ny Ohabolana 26:2, manao hoe: “Misy antony matoa mandositra ny vorona na manidina ny sidintsidina, dia toy izany koa fa tsy tongatonga ho azy ny ozona.” (TV) Misy Baiboly manao hoe “toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany.” (Prot.; jereo koa DIEM.) Toy ny te hilaza izany hoe tsy hanan-kery na ‘tsy hihatra’ ny ozona nataotao foana, fa mandalo fotsiny toy ny sidintsidina tsy mety reraka mihaza bibikely. Miresaka momba ny tsisy saina sy ny fanaony anefa ny andininy manodidina. Mety ho izao àry no tena dikan’ilay andininy (TV): Misy antony matoa manidina mandositra loza na mitady sakafo ny vorona, dia toy izany koa fa misy antony matoa misy manozona ny tsisy saina. Ozonina izy satria nanao hadalana.​—Ampit. Oh 26:3; jereo koa 1:22-32.

Betsaka sidintsidina mena tenda (Hirundo rustica) any Palestina. Misy karazany iray any foana mandavantaona, fa ny hafa kosa tonga avy any amin’ny faritra atsimon’i Afrika rehefa Martsa ary lasa rehefa ho avy ny ririnina. Maro koa no mandalo any Palestina rehefa mifindra monina amin’ny lohataona sy faramparan’ny taona. Kely ny sidintsidina, lava matanjaka ny elany, ary misampana roa ny rambony mazàna. Haingana sy mahafinaritra ny fanidiny, ary lasa lavitra izy rehefa mifindra monina. Mamiratra ny volony matetika, ary malefaka sy miovaova mahafinaritra ny feony.

2. [Heb.: sis]. Anisan’ny vorona haingam-panidina indrindra. Mahavita 100 km/ora mahery izy io, ary 200 km/ora na mahery mihitsy aza angamba rehefa miriotra tampoka. Akopakopany mafy ny elany lava manify miendrika antsim-bilona, ary mipaoka sy mandrapaka bibikely eny am-panidinana izy. Ny tsidisidina (Apus melba) no lehibe indrindra amin’ireo karazana sidintsidina efatra misy any Israely. Ny kibony fotsy no mampiavaka azy. Io no vorona mpifindra monina tazana voalohany any Palestina rehefa akaiky ny lohataona, ary tsy ela aorian’izay dia tazana koa ny andiana sidintsidina Apus apus. Toerana maizimaizina no anaovan’ny sidintsidina ny akaniny, izay mololo sy volom-borona natambatambatra tamin’ny rora madity vokarin’ny fihariny. Ambanin’ny sisin-tafontrano ilay akany matetika, na indraindray anaty hazo poakaty, na amin’ny tehezan’ny hantsana. Tsy natao handehanana na hipetrahana amin’ny hazo ny tongony, ka eny am-panidinana izy no maka ny sakafony sy ny akora anaovany akany. Sady misidina eo ambony rano izy no misotro, ary mamikitra amin-javatra mijidina rehefa miala sasatra. Somary mitoreo ny feony.

Sidintsidina ilay sis (heb.) satria izany koa no iantsoan’ny Arabo azy. Ilazana feo mifofofofo ny hoe sis, hoy ny manam-pahaizana sasany. Ny feony mikarantsana hoe si-si-si kosa izy io, hoy ny hafa.

Nanoratra i Hezekia rehefa sitrana fa ‘nitaraindraina toy ny sidintsidina’ izy. (Is 38:14) Niresaka ny amin’ny sidintsidina mpifindra monina i Jeremia mpaminany, rehefa niteny mafy ny mponin’i Joda noho izy ireo tsy nahalala ny fotoana hitsaran’Andriamanitra.​—Je 8:7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara