FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fanekena, Manaiky”
  • Fanekena, Manaiky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanekena, Manaiky
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Fahefana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Petera, Taratasy Nosoratan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fanajana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fankatoavana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fanekena, Manaiky”

FANEKENA, MANAIKY

Ny hoe “manaiky” dia vonona hilefitra na hanaraka ny sitrapon’ny lehibe, na hankatò lalàna, na hanaraka ny lamina efa napetraka. I Jesosy Kristy, ohatra, manaiky ny Rainy (1Ko 15:27, 28); ny fiangonana kristianina manaiky an’i Jesosy (Ef 5:24) sy Andriamanitra (He 12:9; Jk 4:7); ny Kristianina manaiky an’ireo mitarika eo anivon’ny fiangonana (1Ko 16:15, 16; He 13:17; 1Pe 5:5); ny vehivavy kristianina koa manaiky hoe tsy afaka ny hampianatra eo anivon’ny fiangonana izy (1Ti 2:11); ny mpanompo manaiky ny tompony (Tit 2:9; 1Pe 2:18); ny vehivavy manaiky ny vadiny (Ef 5:22; Kl 3:18; Tit 2:5; 1Pe 3:1, 5); ny zanaka manaiky ny ray aman-dreniny (1Ti 3:4; ampit. Lk 2:51; Ef 6:1); ary ny vahoaka manaiky an’ireo mpitondra sy manam-pahefana (Ro 13:1, 5; Tit 3:1; 1Pe 2:13).​—Jereo FAHEFANA No. 1; FANKATOAVANA; MANAM-PAHEFANA.

Rehefa manaiky fahefan’olombelona ny Kristianina, dia mampiasa ny feon’ny fieritreretany ary mandinika ny ho vokatr’izany eo amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Raha mahatonga azy hampandefitra ny finoany na handika ny lalàn’Andriamanitra àry ny fanekeny, dia Andriamanitra no ankatoaviny fa tsy olona. (As 5:29) ‘Tsy nilefitra na nanaiky’, ohatra, i Paoly sy Barnabasy, rehefa nisy rahalahy sandoka nilaza fa tsy maintsy forana ny olona mba ho voavonjy, sady tsy maintsy mitandrina ny Lalàn’i Mosesy. Tsy izany intsony mantsy ny fikasan’Andriamanitra, ary tsy nitaky izany izy.​—Ga 2:3-5; ampit. As 15:1, 24-29.

Milaza koa ny 2 Korintianina 9:13 fa manaiky ny vaovao tsara ny Kristianina, rehefa manao fanomezana ho an’ny mpiray finoana aminy sahirana, satria adidiny ny manao izany.​—Jk 1:26, 27; 2:14-17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara