FITORAHAM-BATO
Matetika no notoraham-bato izay voaheloka ho faty teo ambanin’ny Lalàna (Le 20:2), mba ‘hanesorana tsy ho eo amin’ny Israely ny ratsy.’ Hatahotra ny rehetra rehefa handre izany, ka tsy hanao ratsy intsony. (De 13:5, 10, 11; 22:22-24) Hita hoe nafana fo niaro ny fivavahana marina izy ireo rehefa nitora-bato an’ilay nanao ratsy, ary tsy tiany ho afa-baraka ny anaran’Andriamanitra sady niriny hadio foana ny fiangonana.
Nisy vavolombelona roa, fara fahakeliny, nanao fiampangana mitovy vao azo notoraham-bato ilay nanao ratsy, ary ireo no voalohany hitora-bato azy. (Le 24:14; De 17:6, 7) Tsy maintsy nandinika tsara àry izay hijoro ho vavolombelona, ary tsy ho sahy handainga satria ny ainy mihitsy no ho nafoiny raha fantatra ny marina.—De 19:18-20.
Notoraham-bato tany ivelan’ny tanàna ilay olona (No 15:35, 36; 1Mp 21:13; ampifan. De 22:21), ary mety ho nahantona teo amin’ny tsato-kazo mandra-pilentiky ny masoandro ny fatiny, ho fampitandremana. Nalevina ny androtr’iny ilay faty.—De 21:21-23.
“Mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato an’izay irahina ho any aminy” i Jerosalema, hoy i Jesosy. (Mt 23:37; ampit. He 11:37.) Na i Kristy aza saika nisy nitora-bato. (Jn 8:59; 10:31-39; 11:8) Notoraham-bato i Stefana ka maty. (As 7:58-60) “Nitora-bato an’i Paoly” ny Jiosy nafana fo tao Lystra “sady nitaritarika azy ho eny ivelan’ny tanàna, satria noheveriny fa maty izy.”—As 14:19; ampit. 2Ko 11:25.
Jereo ny hoe HELOKA SY SAZY mba hahitana hoe inona no heloka vitan’ireo notoraham-bato.