SOFERETA
(Soferèta) [avy amin’ny fototeny midika hoe “manisa”].
Toa razamben’ny fianakaviambe iray (“taranak’i Sofereta”). Anisan’ny “taranaky ny mpanompon’i Solomona” niverina avy tany an-tsesitany tany Babylona io fianakaviambe io. (Ezr 2:55; Ne 7:57) Nasian’i Ezra mpanoritra voafaritra teo anoloan’ny hoe Sôferet, ka lasa hoe Hassôferet izay mety hidika hoe “ilay mpanora-dalàna.” Misy milaza fa mpanora-dalàna na mpanao dika soratra ireo taranak’i Sofereta. Mety hahafantarana ny anton’asan’ny olona ny dikan’ny anarana sasany eo amin’ilay lisitra. Tsy ny anarana rehetra anefa no toy izany.