FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Sisera”
  • Sisera

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sisera
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Mpitarika Vaovao sy Vehivavy Roa Tsy Natahotahotra
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Vehivavy Roa Nahery Fo
    Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Baraka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • “Tahina Mihoatra Noho ny Vehivavy Rehetra”
    Manehoa Herim-po ho An’Andriamanitra
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Sisera”

SISERA

(Sisèra).

1. Lehiben’ny tafik’i Jabina mpanjaka kananita. Nisongadina kokoa i Sisera, raha noharina tamin’i Jabina Mpanjaka. Nonina tany Haroseta izy fa tsy tany Hazora tanànan’i Jabina. Nampahory ny Israelita nandritra ny 20 taona i Sisera sy Jabina. Efa avy nanafaka an’ireo Israelita ireo teo an-tanan’ny Moabita i Ehoda Mpitsara, taloha kelin’izay.​—Mpts 4:1-3; 1Sa 12:9.

Rehefa ren’i Sisera fa nangonin’i Debora sy Baraka ny tafika israelita, dia mba nangoniny teo amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Kisona koa ny tafiny niaraka tamin’ny kalesin’ady 900 nisy lelan’antsy. Nataon’i Jehovah nifanaritaka anefa ny tafik’i Sisera, ka resy tanteraka.​—Mpts 4:7, 12-16, 23; 5:20, 21; Sl 83:9.

Nihitsoka ireo kalesy (ampit. Mpts 5:21), ka nihazakazaka nandositra i Sisera, ary tonga tao an-tranolain’i Jaela, vadin’i Hebera Kenita, izay tsara fihavanana tamin’i Jabina. Nampandroso azy i Jaela. Vizana noho ny ady sy ny hazakazaka i Sisera, ka nanapa-kevitra ny hatory satria natoky izy fa tsy nisy natahorana tao an-tranolain’i Jaela. Nasainy niambina ny fidirana i Jaela, rehefa avy nanome azy ronono hosotroina. Rehefa renoky ny torimaso izy, dia nitsaitsaika nankeo aminy i Jaela ary natsatony teo amin’ny fihirifany ny fantsika be fanenjanan-day, ka nataony niboroaka tamin’ny tany. Rehefa tonga i Baraka, dia nasehon’i Jaela azy ilay fahavalo efa maty. (Mpts 4:9, 17-22; 5:25-27) Sasa-niandry an’i Sisera hiverina hitondra babo be dia be ny reniny sy ny ankohonany.​—Mpts 5:28-30.

2. Razamben’ny fianakaviana iray anisan’ny Netinima. Anisan’ireo niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Zerobabela io fianakaviana io, tamin’ny 537 T.K. (Ezr 2:1, 2, 43, 53; Ne 7:55) Marina fa mety ho lasa Netinima nanompo tao amin’ny tempoly ny babo an’ady sasany, anisan’izany ireo tamin’ny andron’i Sisera (No. 1), kanefa azo antoka hoe tsy taranak’ilay Sisera tamin’ny andron’i Baraka ireo Netinima niverina avy tany Babylona ireo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara