SIRAHA, LAVAKA FANANGONAN-DRANON’I
(Siràha).
Teo amin’ny lavaka fanangonan-dranon’i Siraha i Abnera no nasain’ireo irak’i Joaba niverina tany Hebrona, ary tany Hebrona izy no novonoina. (2Sa 3:26, 27) Misy mihevitra an’i Siraha ho i ʽAin Sarah, loharano na lavadrano, tokotokony ho 2,5 km any avaratrandrefan’i Hebrona. Nilaza kosa i Josèphe fa 4 km eo ho eo avy eo Hebrona no nisy an’i Siraha, izay nantsoiny hoe Besera.—Rakitry ny Ela Jiosy, VII, 34 (i, 5).