SEMAIA
(Semaià) [midika hoe “Nandre (Nihaino) i Jehovah”].
1. Simeonita. Nisy tamin’ny taranany tatỳ aoriana be, niaraka tamin’ireo nanafika ny Kananita mba hahazoana tanimbilona, tamin’ny andron’i Hezekia.—1Ta 4:24, 37-41.
2. Zanakalahin’i Joela avy amin’ny fokon’i Robena.—1Ta 5:3, 4.
3. Mpiadidy teo amin’ireo Levita anisan’ny ankohonan’i Elizafana. Rehefa nentina ho any Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena, dia nanamasina ny tenany i Semaia sy ireo rahalahiny 200 ary nanaraka an’ilay filaharam-be.—1Ta 15:4, 8, 11-16.
4. Mpitan-tsoratry ny Levita. Izy no nasain’i Davida nanoratra an’ireo fizarana 24 teo amin’ireo mpisorona. Zanak’i Netanela izy.—1Ta 24:6.
5. Levita lahimatoan’i Obeda-edoma. Izy sy ny zanany lahy no voatendry ho mpiandry vavahadin’ny trano fitehirizana entana tao amin’ny toerana masina.—1Ta 26:1, 4, 6, 7, 12, 13, 15.
6. Mpaminanin’i Jehovah tamin’ny andro nanjakan’i Rehoboama zanak’i Solomona. Rehefa nikomy ny foko folo tany avaratra, tamin’ny 997 T.K., dia nirahin’i Jehovah i Semaia mba hanakana an’i Rehoboama tsy hiady tamin’izy ireo. (1Mp 12:21-24; 2Ta 11:1-4) Tamin’ny taona fahadimy nanjakan’i Rehoboama (993 T.K.), dia i Semaia no nilaza taminy sy ny andriana fa nafoin’i Jehovah izy ireo satria nahafoy Azy. Niakatra hanafika an’i Joda i Sisaka mpanjakan’i Ejipta tamin’izay. Nanetry tena anefa i Rehoboama sy ireo andriana, ka nohalefahin’i Jehovah ny saziny, izany hoe tsy noringanina tanteraka izy ireo. (2Ta 12:1-12) Anisan’ireo nanoratra ny tantaran’ny nanjakan’i Rehoboama koa i Semaia.—2Ta 12:15.
7. Anisan’ireo Levita nirahin’i Josafata Mpanjaka hampianatra ny Lalàna tany amin’ireo tanànan’i Joda, tamin’ny taona fahatelo nanjakany (934 T.K.).—2Ta 17:7-9.
8. Levita taranak’i Jedotona. Naniraka azy hanampy tamin’ny fanadiovana ny tempoly i Hezekia Mpanjaka, tamin’ny taona voalohany nanjakany (745 T.K.). Nentin’i Semaia sy ny Levita hafa tany amin’ny Lohasahan’i Kidrona ireo zavatra maloto avy tao amin’ny tempoly. (2Ta 29:12, 14-16) Mety ho ity Semaia ity ihany ilay No. 9.
9. Anisan’ireo Levita nankany amin’ireo tanànan’ny mpisorona mba hizara ny ampahafolon-karena sy ny fanomezana hafa, tamin’ny andro nanjakan’i Hezekia. (2Ta 31:6, 12, 14, 15) Mety ho izy ihany ilay Semaia No. 8.
10. Levita mpiadidy, anisan’ireo nanome biby maro be mba hatao sorona, tamin’ilay fankalazana Paska lehibe tamin’ny andron’i Josia.—2Ta 35:1, 9.
11. Rain’i Oria mpaminany, ary avy any Kiriata-jearima. Niara-belona tamin’i Jeremia io zanany io.—Je 26:20.
12. Rain’ilay Delaia andriana jodianina tamin’ny andro nanjakan’i Joiakima.—Je 36:12.
13. Mpaminany sandoka avy any Nehelama, sady mpanohitra an’i Jeremia. Nentina ho babo tany Babylona niaraka tamin’i Joiakina izy tamin’ny 617 T.K. Tany izy no nanoratra ho an’i Zefania mpisorona sy ireo mpisorona hafa tany Jerosalema, ka nanameloka an’i Jeremia izay nilaza fa haharitra taona maro ny fanaovana sesitany ny Jiosy ary tokony hanorim-ponenana any Babylonia ireo tany an-tsesitany. Nilaza i Semaia fa tokony hogejaina amin’ny boloky hazo i Jeremia. Naminany anefa i Jehovah fa tsy hisy ho tafaverina avy any an-tsesitany na i Semaia na ny taranany, satria nataony izay hahatonga ny Jiosy hatoky lainga, sady fikomiana an-kitsirano no nambarany.—Je 29:24-32.
14. Mpisorona. Azo inoana hoe izy no razamben’ny fianakavian’ny mpisorona, izay niverina tany Jerosalema niaraka tamin’i Zerobabela tamin’ny 537 T.K. I Jonatana no lohan’ny fianakaviamben’i Semaia tatỳ aoriana. (Ne 12:1, 6, 7, 12, 18) Nisy fianianana nataon’ilay firenena tamin’ny andron’i Nehemia Governora, ka anisan’ireo nanisy tombo-kase an’izany ny solontenan’ilay fianakaviambe na ny mpisorona hafa iray nantsoina koa hoe Semaia.—Ne 10:1, 8.
15. Levita taranak’i Jedotona. Nonina tao Jerosalema i Obadia zanany lahy na taranany, taorian’ny sesitany.—1Ta 9:16, 34.
16. Levita taranak’i Merary. Nonina tany Jerosalema koa izy taorian’ny sesitany tany Babylona. Zanak’i Hasoba izy.—1Ta 9:14, 34; Ne 11:15.
17. Lohandohany avy amin’ny taranak’i Adonikama. Niaraka tamin’i Ezra nankany Jerosalema izy tamin’ny 468 T.K. Toa anisan’ireo nirahin’i Ezra hitady olona hanompo tao amin’ny toerana masina izy, ka nahita Levita sy Netinima maro niaraka tamin’izy ireo tamin’ilay dia.—Ezr 8:1, 13, 16-20.
18. Iray tamin’ireo mpisorona nampirisihin’i Ezra handroaka ny vadiny hafa firenena, rehefa tonga tany Jerosalema i Ezra. Taranak’i Harima izy.—Ezr 10:10, 11, 21, 44.
19. Israelita taranak’olon-kafa iray nantsoina koa hoe Harima. Anisan’ireo nandroaka ny vadiny hafa firenena koa izy.—Ezr 10:25, 31, 44.
20. Iray tamin’ireo nanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema. Zanakalahin’i Sekania izy, ary mpiandry vavahady. Toa Levita àry izy.—Ne 3:29.
21. Mpaminany sandoka nokaramain’i Tobia sy Sanbala mba hampitahotra an’i Nehemia. Nilaza izy fa nisy nitady hamono i Nehemia ary tokony hiafina tao amin’ny tempoly. Tsy mpisorona anefa i Nehemia, ka nanota izy raha nanao izany. Zanak’i Delaia ity Semaia ity.—Ne 6:10-13.
22. Iray tamin’ireo nanaraka an’ilay filaharam-be nalamin’i Nehemia, tamin’ny fitokanana ny mandan’i Jerosalema, rehefa voaorina indray izy io.—Ne 12:31-34.
23. Mpisorona taranak’i Asafa. Nanaraka an’ilay filaharam-be voalaza etsy aloha koa ny taranany, izay azo inoana hoe mpitsoka trompetra.—Ne 12:31, 35.
24. Mpisorona mpitendry zavamaneno. Nanaraka an’ilay filaharam-be voalaza etsy aloha koa izy. Toa mpihavana izy sy ilay No. 23.—Ne 12:31, 36.
25. Mpisorona. Toa nitsoka trompetra izy rehefa tafahaona tao an-tranon’i Jehovah ireo antoko mpihira roa mpanao hira fisaorana, nandritra ny fitokanana ny mandan’i Jerosalema.—Ne 12:40-42.
26. Taranak’i Davida tatỳ aoriana be. (1Ta 3:9, 10, 22) Misy manam-pahaizana mihevitra hoe enin-dahy ny zanak’i Sekania, fa fahadisoan’ny mpanao dika soratra ka tokony hesorina ilay teny hoe “ary ny zanakalahin’i Semaia dia” eo amin’ny andininy faha-22 (anaran’olona dimy monja no eo aoriany). Ny hafa kosa milaza hoe taranak’i Sekania enina no voalaza eo, dia i Semaia sy ireo zanany dimy lahy.