FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Safana”
  • Safana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Safana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fantatrao ve i Safana sy ny Fianakaviany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Ahikama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Hilkia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Azalia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Safana”

SAFANA

(Safàna) [Bitrom-bato].

Zanakalahin’i Azalia, sady mpitan-tsoratry ny mpanjaka. Nirahin’i Josia Mpanjaka ho any amin’i Hilkia Mpisoronabe i Safana sy ny tandapa roa, tamin’ny 642 T.K. mba hanome toromarika momba ny fanamboarana ny simba tamin’ny tempoly. Nahita “ny boky misy ny lalàna” i Hilkia tamin’izay, ary nomeny an’i Safana izy io. Mety ho ilay boky tamin’ny andron’i Mosesy mihitsy izy io. Novakin’i Safana tamin’i Josia ilay Lalàna. Raha vao namaky kelikely anefa izy, dia nirahin’i Josia izy sy Ahikama zanany ary olon-kafa maromaro, mba hanontany momba izay kasain’i Jehovah hatao ho an’ny fanjakan’ny Joda. Nankany amin’i Holda mpaminanivavy ireo iraka, ary nitondra ny tatitra nankany amin’ny mpanjaka. Nolazain’izy ireo tamin’ny mpanjaka ilay faminanian’i Jehovah hoe ho avy ny fandringanana, saingy tsy amin’ny andro anjakan’i Josia.​—2Mp 22:3-20; 2Ta 34:8-28.

Tsy nitovy ireo zanakalahin’i Safana: Toa nanaraka ny fivavahana marina i Ahikama (Je 26:24) sy Elasa (Je 29:1-3) ary Gemaria (Je 36:10-12, 25), fa tsy mba toy izany i Jazania. (Ezk 8:10, 11) I Gedalia zafikelin’i Safana indray, dia olona natahotra an’Andriamanitra. Voatendry ho governora izy io rehefa resy i Jerosalema.​—2Mp 25:22; Je 39:14.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara