FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Seleokia”
  • Seleokia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Seleokia
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahatonga Fitomboana Tany Antiokia ny Fanenjehana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Antiokia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Salamisy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Barnabasy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Seleokia”

SELEOKIA

(Seleokìa).

Seranana voaro tsara nanamorona ny Ranomasina Mediterane. Seranan’i Antiokia any Syria izy io, tokotokony ho 20 km any atsimoandrefan’io Antiokia io. Nisy lalana nampitohy an’ireo toerana roa ireo; ary ny Reniranon’i Oronte, izay nandalo an’i Antiokia, dia nivarina tao amin’ny Ranomasina Mediterane, teo atsimo kelin’i Seleokia. Niaraka tamin’i Barnabasy i Paoly naka sambo tao, teo am-piandohan’ny dia misionera voalohany nataony (t. 47). (As 13:4) Tsy miresaka an’i Seleokia intsony ny Asan’ny Apostoly aorian’izay. Azo inoana anefa hoe anisan’ny toerana nisehoan’ireo zava-nitranga voatantara ao i Seleokia. (As 14:26; 15:30-41) Antsoina hoe Seleokia any Pieria izy io indraindray, mba hanavahana azy tamin’ireo Seleokia hafa fahiny tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Eo avaratra kelin’i Soveydiye na Samandaga, any Torkia no misy azy io. Lasa honahona ny seranan’i Seleokia noho ireo antsanga nentin’i Oronte.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara