FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fitaomana Olona Hikomy”
  • Fitaomana Olona Hikomy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fitaomana Olona Hikomy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Tertylo
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nolazaina fa Nanakorontana sy Nampirisika ny Olona Hikomy
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Ben’ny Tanàna
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Paoly
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fitaomana Olona Hikomy”

FITAOMANA OLONA HIKOMY

Midika hoe ‘mijoro’ (He 9:8) ny teny grika hoe stasis, amin’ny ankapobeny, ary lasa manana heviny hoe mihataka na ‘mitaona olona hikomy.’ (Mr 15:7; Lk 23:19, 25) Azo adika hoe ‘fifandirana’ (As 15:2) koa izy io, ary misy herisetra koa tafiditra amin’izy io indraindray.​—As 23:7, 10.

Heloka mahafaty teo ambanin’ny lalàna romanina ny nitaona olona hikomy, na ny nandrisika olona hirotaka na nandray anjara tamin’izany. Nampitandrina an’ireo mpirotaka tany Efesosy àry ny ben’ny tanàna hoe: “Raha izay niseho androany izay ... dia tena mety hampangaina ho mampirisika olona hikomy amin’ny fanjakana isika. Ary tsy misy antony mamela antsika hanao izao savorovoro izao.” (As 19:40) Niampanga an’i Paoly teo anatrehan’i Feliksa governora romanina i Tertylo hoe: “Ampirisihiny hikomy amin’ny fanjakana ny Jiosy rehetra.” Tena ratsy izany, satria mety ho novonoina ho faty i Paoly raha marina izany fiampangana izany.​—As 24:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara