FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Lamba Gony”
  • Lamba Gony

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Lamba Gony
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fihetsika sy Fanao
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Akanjom-boninahitra, Akanjona Mpaminany
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fisaonana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fitafiana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Lamba Gony”

LAMBA GONY

Lamba marokoroko fanaovana kitapo na harona fasiana voamadinika, ohatra. Volon’osy mainty notenomina ilay izy matetika. (Ap 6:12; Is 50:3) Sak no teny hebreo ilazana ny lamba gony sy kitapo gony.​—Ge 42:25; Js 9:4.

Fanaon’ny olona nisaona ny nisikina lamba gony. I Jakoba no resahina voalohany ho nanao toy izany, rehefa nisaona an’i Josefa zanany izay noheveriny fa maty izy. (Ge 37:34; 2Sa 3:31) Nipetraka na natory teo ambony gony koa ireo nisaona. (2Sa 21:10; Is 58:5; Jl 1:13) Nisikina lamba gony sy nanisy tady teo ambony lohany ny mpanompon’i Beni-hadada, rehefa nitalaho tamin’i Ahaba mba hitsimbina ny ain’ilay mpanjaka. (1Mp 20:31, 32) Mety ho natao nanolo-koditra ilay gony ary nasiana akanjo teo amboniny (Jb 16:15; Is 32:11; 1Mp 21:27; 2Mp 6:30), na natao ‘sikina’ teo ambony akanjo anatiny fotsiny.​—Ezk 7:18; Jl 1:8.

Nahare ny fitorian’i Jona ny mpanjakan’i Ninive ka nasainy nitafy lamba gony toa azy izay rehetra tao an-tanàna, anisan’izany ny “biby fiompy.”​—Jo 3:6-8.

Niakanjo gony ny mpaminany hebreo rehefa nirahina hampitandrina ny vahoaka, na nampirisika azy ireo hibebaka, na nivavaka sy nifona ho azy ireo. (Is 20:2; Da 9:3; ampit. Ap 11:3.) Nitafy lamba gony koa ny mpanjaka sy ny vahoaka rehefa nijaly mafy na nahare vaovao ratsy.​—2Mp 19:1; Is 15:3; 22:12.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara