RENIRANO
Ilay teny hebreo hoe nahar no midika hoe renirano. Rano lehibe mikoriana saika mandavantaona ny renirano, ary manaraka lakandrano voajanahary. Misy rano be mikoriana koa eny amin’ny lohasaha falehan-driaka (heb.: nahal) saingy indraindray ihany izany no mitranga. Maina izy ireny matetika, fa tsy mitovy amin’ny renirano. Anisan’ny renirano lehibe resahin’ny Baiboly i Hidekela (Tigra), Eofrata, Jordana, Abana, ary Farpara. (Ge 2:14; 2Mp 5:10, 12) Tsy tononina mivantana hoe Neily ny reniranon’i Neily, fa antsoina hoe yeʼôr (na yeʼôhr indraindray), ary midika hoe renirano na lakandrano io teny io tamin’izany. (Is 33:21; Jb 28:10) Ny teny manodidina anefa no ahitana raha manondro an’i Neily ny hoe yeʼôr na yeʼôhr, ka tonga dia ny anarana hoe Neily no ampiasain’ny Baiboly maro.—Ge 41:17, 18.
Mety ho iray ihany ny “reniranon’i Ejipta” (Ge 15:18) sy ny “lohasaha falehan-driakan’i Ejipta.”—No 34:5; jereo SIHORA.
Matetika i Eofrata no antsoina fotsiny hoe “ny Renirano.” (Js 24:2, 3; Ezr 8:36; Is 7:20; 27:12; Mi 7:12) Izy io no renirano lava indrindra sy lehibe indrindra any Azia atsimoandrefana, ka izany no nahatonga ny Hebreo hihevitra azy io hoe “ilay renirano lehibe.” (Ge 15:18) Tonga dia fantatra àry tamin’izany hoe i Eofrata no tiana holazaina tamin’ny hoe “ny Renirano.”
Vitan’i Davida Mpanjaka ny nanitatra ny sisin-tanin’ny Tany Nampanantenaina hatrany Eofrata, noho ny fanampian’i Jehovah. (1Ta 18:3-8) Izao no voalaza momba an’i Solomona zanany: “Hisy olom-peheziny hatrany amin’ny ranomasina ka hatrany amin’ny ranomasina, ary hatrany amin’ny Renirano [Eofrata] ka hatrany amin’ny faran’ny tany.” (Sl 72:8) Namerina an’ireo teny ireo i Zakaria rehefa naminany hoe hanjaka maneran-tany ny Mesia.—Za 9:9, 10; ampit. Da 2:44; Mt 21:4, 5.
Inona no renirano voalohany resahin’ny Baiboly? Ilay renirano nanondraka an’i Edena, ilay zaridaina nomen’i Jehovah mba honenan’i Adama sy Eva. Toa tao Edena ihany ny loharano nipoiran’izy io. Nisampana efatra izy io avy eo, ka lasa nisy ny Reniranon’i Pisona, Gihona, Hidekela, ary Eofrata. Faritra nisy taorian’ny Safodrano ny faritra (Havila, Kosy, ary Asyria) voatonona miaraka amin’ireo renirano ireo. (Ge 2:10-14) Toa nampiasa teny nahazatra an’ireo olona tamin’ny androny àry i Mosesy, mpanoratra an’ilay tantara, mba hanazavana hoe taiza no nisy ny zaridainan’i Edena. Tsy tena azontsika antoka, noho izany, raha ny lalan’ny Reniranon’i Pisona, Gihona, ary Hidekela taorian’ny Safodrano no noresahiny na ny lalany talohan’izay. Na ahoana na ahoana, dia efa niova ny lalan’ireo renirano ireo. Tsy fantatsika intsony àry ny renirano sasany. Raha ny lalany talohan’ny Safodrano no noresahin’i Mosesy, dia azo inoana fa ny Safodrano no anisan’ny nahatonga ilay fiovana. Raha ny lalany taorian’ny Safodrano kosa no noresahiny, dia mety hoe zava-nitranga hafa, toy ny horohoron-tany, no nahatonga izany.
Heviny an’ohatra. Nisakana an’ireo tafika fahavalo tsy ho tafiditra tao an-tanàna ny renirano, sady tena niaro ny tanàna sasany, toa an’i Babylona. Tsy nanana renirano niaro azy anefa i Jerosalema, fa i Jehovah Andriamanitra no toy ny renirano mahery niaro azy. Hahita loza àry ireo fahavalo mitady hamely azy, izay oharina amin’ny andian-tsambo mpanafika.—Is 33:21, 22; jereo SAMBO.
Toy ny renirano tondraka ka mitera-doza ny fanafihan’ny tafika fahavalo.—Is 8:7.
Iankinan’ny aina ny rano, ary i Jehovah no voalaza fa Loharanon’ny rano velona. (Je 2:13) Nivadi-pinoana anefa ny Israelita ka nitady fanampiana tamin’i Ejipta sy Asyria. Naniraka an’i Jeremia mpaminaniny àry i Jehovah mba hilaza tamin’izy ireo hoe: “Inona no dia mahaliana anao amin’ny lalana mankany Ejipta sy hisotro ny ranon’i Sihora? Ary inona no mahaliana anao amin’ny lalana mankany Asyria sy hisotro ny ranon’ilay Renirano? ... Aoka àry ho fantatrao sy ho hitanao fa ratsy sady mangidy ny nahafoizanao an’i Jehovah Andriamanitrao.” (Je 2:18, 19) Miresaka rano an’ohatra koa ny Apokalypsy 8:10 sy 16:4. Olombelona no loharanon’izany rano izany, ary heverin’ny olona hoe iankinan’ny aina ilay izy.
Misy fanazavana momba ny “reniranon’ny ranon’aina” (Ap 22:1) ao amin’ilay hoe FIAINANA (Reniranon’ny ranon’aina).