FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Fenisia”
  • Fenisia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fenisia
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Nisandratra “ny Sambon’i Tarsisy” ary Nilentika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
  • Sidona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Syrianina-fenisianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Kanana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Fenisia”

FENISIA

(Fenisì) [azo inoana fa avy amin’ny fototeny midika hoe “hazo palmie”].

Ilay tany lavalava teo amin’ny morontsiraka atsinanan’i Mediterane, teo anelanelan’i Syria sy Israely. Ny Tandavan-tendrombohitra Libanona no teo atsinanany. I Liban ankehitriny no Fenisia, saingy tsy tena mitovy ny habeny. I Sidona no tanàna nalaza indrindra tany Fenisia nandritra ny taona maro. I Tyro, tanàna naorin’ny mponina avy any Sidona, indray anefa no nalaza tatỳ aoriana.​—Jereo SIDONA, SIDONIANINA; TYRO.

Ny mombamomba ilay tany. Lemaka ilay tany amoron-tsiraka, nefa nisy havoana vitsivitsy ihany satria nipaka hatrany ny ampahany tamin’ilay tandavan-tendrombohitra. Azon-drano tsara ilay tany, satria nisy renirano maromaro avy teny amin’ilay tandavan-tendrombohitra, izay lasa sisin-tany voajanahary teo amin’ny ilany atsinanana. Maromaro ny tendrombohitra nahatratra 3000 m mahery, ka 3350 m ny avo indrindra. Saika rakotra lanezy mandavantaona àry ny tampon’izy ireny. Feno ala sy saham-boankazo isan-karazany ilay tany fahiny: Hazo sedera, hazo kesika, hazo oaka, voaroihazo, aviavy, oliva, ary antrendry.

Ny niandohany sy ny anarany. Taorian’ny Safodrano no niandohan’ny tantaran’ny Fenisianina. Razamben’ny foko 11 i Kanana zanak’i Hama sady zafikelin’i Noa. Iray tamin’ireny foko ireny ny Sidonianina, izay taranak’i Sidona lahimatoan’i Kanana. (Ge 10:15-18; 1Ta 1:13-16) Kananita àry ny Sidonianina. (Js 13:4-6; Mpts 10:12) Nantsoin’izy ireo sy ny hafa hoe Kanana ny taniny. Misy vola madinika tamin’ny andron’i Antiokosa Epifana, ohatra, ahitana soratra toy izao momba an’i Laodikia, tanàna syrianina-fenisianina: “Tanàn-dehibe tany Kanana.”

Nantsoin’ny Grika hoe Fenisianina koa anefa ireny Sidonianina tany Kanana ireny. Samy niantsoana azy ireny àry ny hoe Kananita, Sidonianina, na Fenisianina. Antsoina hoe “Kanana”, ohatra, i Fenisia ao amin’ny faminanian’i Isaia.​—Is 23:11, Prot., Kat.

Tanin’ny mpivarotra mpivezivezy an-dranomasina. Anisan’ny tantsambo nalaza indrindra fahiny ny Fenisianina. Nahatanty tsara ny dia an-dranomasina ireo sambony. Avo ny lohan-tsambo sy ny vodisambo, nalalaka ilay sambo, ary azo novoizina no sady nampiasana lain-tsambo. (Ezk 27:3-7) Nitatitra ny ankamaroan’ny entam-barotra eran’ny faritr’i Mediterane ireo sambo fenisianina. Nampiasa Fenisianina “mpanompon’i Hirama” ireo sambon’i Solomona nankany Tarsisy (Espaina), tamin’ny taonjato faha-11 T.K. (2Ta 9:21) Nisy tantsambo fenisianina koa tao amin’ireo sambony niainga avy tany Eziona-gebera nankany Ofira. (1Mp 9:26-28; 10:11) Mbola nisy sambo fenisianina nankany Tarsisy tamin’ny taonjato fahafito T.K., ary nitondra volafotsy sy vy sy firapotsy ary firamainty izy ireny rehefa niverina.​—Ezk 27:12.

Zavakanto sy asa tanana. Nahay nandrendrika sy nanefy ary nanao sokitra volamena sy volafotsy ireo mpanefy fenisianina. Nisy indray mpanao sokitra hazo sy ivoara, mpanao vera sy fitaratra, mpanenona volonondry sy lamba rongony, na mpandoko lamba. Tena nampahalaza an’i Fenisia ny lamba miloko volomparasy. Lafo be ny lamba volomparasy avy any Tyro, satria sifodranomasina antsoina hoe murex an’arivony vao nahazoana loko ho an’ny lamba nirefy metatra vitsivitsy. Loko indray mitete monja mantsy no azo tamin’ny sifodranomasina iray. Samihafa ny loko volomparasy azo, arakaraka ny toerana nahitana an’ireo sifodranomasina teo amoron’i Mediterane. Nisy koa mpandoko fenisianina nahay nandoko indroa na intelo an’ireo lamba. Isan-karazany àry ireo lamba lafo vidy novokariny, sady tena tian’ireo andriana sy olona ambony.​—Ezk 27:2, 7, 24.

Nalaza ho nahay nipai-bato sy nikapa hazo nijoalajoala tany an’ala koa ny Fenisianina, tamin’ny andron’i Davida sy Solomona.​—2Sa 5:11; 1Mp 5:1, 6-10, 18; 9:11; 1Ta 14:1.

Fivavahany. Nivavaka tamin’i Bala andriamanitry ny fahavokarana koa ny Fenisianina, toy ny Kananita ihany. Anisan’ny fombafomba tamin’izany ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy, ny firaisana amin’ny biby, ny fivarotan-tena, ary ny fanaovana sorona zazakely izay fanao tena maharikoriko. (Jereo SARY, Boky 1, p. 739; KANANA, KANANITA No. 2 [Azon’ny Israelita i Kanana].) Lasa iray tamin’ireo foiben’ny fivavahana tamin’andriamanitra maro i Balabeka (65 km teo ho eo tany avaratratsinanan’i Beyrout), tanàna fenisianina fahiny. Nisy tempoly lehibe ho an’ny andriamanitra sy andriamanibavy samihafa naorina tao, tamin’ny andron’ny Romanina. Mbola hita ao ny sisa tavela tamin’izy ireny.

Nisy mponin’i Fenisia nankany Galilia mba hihaino an’i Jesosy sy hositraniny, tamin’ny lohataonan’ny taona 31. Porofo izany fa nanam-pinoana izy ireo. (Mr 3:7-10; Lk 6:17) Nankany amin’ny lemaka amoron-tsirak’i Fenisia i Jesosy, herintaona teo ho eo taorian’izay. Gaga izy noho ny finoan’ny vehivavy syrianina-fenisianina iray tany, ka nositraniny ny zanany vavy azon’ny demonia.​—Mt 15:21-28; Mr 7:24-31.

Nandositra nankany Fenisia ny Kristianina sasany nenjehina tany Jodia, taorian’ny namonoana an’i Stefana. Nitory ny vaovao tsara izy ireo tany, saingy tamin’ny Jiosy ihany aloha. Lasa nisy fiangonana niforona anefa teny amin’ny morontsirak’i Fenisia sy ny faritra hafa nofehezin’ny Fanjakana Romanina, rehefa lasa Kristianina i Kornelio. Jiosy sy tsy Jiosy no anisan’ireny fiangonana ireny. Notsidihin’ny apostoly Paoly ny fiangonana sasany tany Fenisia, tamin’ny dia misionera nataony. I Sidona no notsidihiny farany, tamin’izy nentina tany Roma, tamin’ny 58 tany ho any.​—As 11:19; 15:3; 21:1-7; 27:1-3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara