FANENJEHANA
Ny hoe manenjika dia minia mampijaly na mandratra olona satria hafa ny sarangany, fiaviany, fivavahany na zavatra inoany. Matoa iharam-panenjehana ny fivavahana, dia tiana hofoanana sy hosakanana mba tsy hitaona olona. Midika hoe ‘manenjika’ ny matoanteny hoe radaf (heb.) sy diôkô (gr.). Azo adika koa hoe ‘mikatsaka, manaraka’ izy ireo.—Ek 15:9; De 1:44; Ro 9:31; Lk 17:23.
Mety ho fanevatevana na eson-teny na ompa ny fanenjehana (2Ta 36:16; As 19:9), nefa koa mety ho fanerena olona eo amin’ny ara-pivelomana (Ap 13:16, 17), na mety ho fikasihan-tanana (Mt 27:29, 30; As 5:40), fanagadrana (Lk 21:12; As 16:22-24), fankahalana, na famonoana ho faty mihitsy aza. (Mt 24:9; As 12:2) Mety ho ny mpitondra fivavahana no ao ambadiky ny fanenjehana. (Mr 3:6; As 24:1, 27) Misy olona manenjika nefa mety hoe noho ny tsy fahalalana. (Ge 21:8, 9; Ga 4:29; 1Ti 1:13) Mety ho vahoaka romotra sy tsy misaina koa no manenjika. (Lk 4:28, 29; As 14:19; 17:5) Fanahy ratsy tsy hita maso sy mahery anefa matetika no tena mampiasa an’ireny mpanenjika ireny.—Ef 6:11, 12.
Nilaza i Jehovah Andriamanitra ao amin’ny Genesisy 3:14, 15 fa hifandrafy “ny menarana” sy “ny vehivavy”, ary hifandrafy koa ny ‘taranak’izy ireo.’ Hita ao amin’ny Baiboly manontolo fa tanteraka io faminaniana io. Nohazavain’i Jesosy fa i Satana Devoly ilay menarana. Nilaza tamin’ireo nanenjika azy àry izy fa ‘avy amin’ny Devoly rain’izy ireo’ izy ireo, ka noho izany dia ‘taranaky’ ny Devoly. (Jn 8:37-59) Hazavain’ny Apokalypsy fa mbola hitohy ilay fanenjehana rehefa lasa mpanjaka i Kristy sy aorian’izay, saingy mandritra ny fotoana voafetra ihany. Voalaza mantsy fa ‘nenjehin’ilay dragona ilay vehivavy’ rehefa natsipy tetỳ an-tany i Satana sy ny anjeliny, ary “niady tamin’ny sisa amin’ny taranany [ny an’ilay vehivavy], izay nitandrina ny didin’Andriamanitra sy nanankinana ny asa fitoriana momba an’i Jesosy.” (Ap 12:7-17) Ireto avy no tena fampiasan’i Satana hatramin’izay, mba hanenjehana ny mpanompon’i Jehovah: Ny “bibidia”, izay hazavaina ao amin’ny lahatsoratra hoe BIBY AN’OHATRA (Ap 13:1, 7) sy “Babylona Lehibe” hazavaina ao amin’ilay hoe BABYLONA LEHIBE. (Ap 17:5, 6) Hita nandritra ny tantara rehetra voaresaka ao amin’ny Baiboly fa nandrafy foana an’izay tena te hanao ny sitrapon’Andriamanitra i Satana sady nampiasa an’ireo voalaza etsy aloha.
Izay asehon’ny tantara. Misy olona enjehina noho ny fivavahana, ary nilaza i Jesosy fa efa hatramin’ny andron’i Kaina zanak’i Adama izany no nisy. (Ge 4:3-8; Mt 23:34, 35) Nampirisika an’i Kaina hamono an’i Abela rahalahiny i Satana Devoly, “ilay ratsy.” (1Jn 3:12) Nanompo an’i Jehovah mantsy i Abela sady tsy nivadika taminy. (He 11:4) Lehilahin’Andriamanitra i Joba (midika hoe “Ankahalaina”), ary nahatonga fanenjehana mafy taminy koa i Satana, ilay fahavalon’Andriamanitra sady fahavalon’ny olombelona. Nampiasain’i Satana ny vadin’i Joba sy ny namany telo lahy, na fantatr’izy ireo izany na tsia.—Jb 1:8–2:9; 19:22, 28.
Nampijaly mafy an’ireo solontenan’Andriamanitra ny mpitondra tany Joda sy Israely, indraindray. Tena halan’i Saoly Mpanjaka, ohatra, i Davida (‘lehilahy sitraky ny fon’Andriamanitra’; As 13:22). (1Sa 20:31-33; 23:15, 26; Sl 142:6) Tamin’i Ahaba sy Jezebela nanjaka, dia maro ny mpaminanin’i Jehovah voatery nandositra sy niafina ary nisy koa novonoina ho faty. (1Mp 18:13, 14; 19:10) “Be dia be ny ran’olona tsy manan-tsiny” nalatsak’i Manase Mpanjaka. (2Mp 21:16) Novonoin’i Joiakima Mpanjaka i Oria, ilay ‘lehilahy naminany tamin’ny anaran’i Jehovah.’ (Je 26:20-23) Nanenjika mafy an’i Jeremia koa ny tompon’andraiki-panjakana. (Je 15:15; 17:18; 20:11; 37:15, 16; 38:4-6) Nanenjika sy nanao sesitany an’ireo Israelita ny firenen-kafa indraindray, ary navelan’i Jehovah hanao izany izy ireo satria nivadika taminy ny Israely.—De 30:7; Ft 1:3.
Nisy mpanompon’i Jehovah hafa tsy nivadika koa nenjehina mafy, ary ny fitondram-panjakana mihitsy no namoaka lalàna momba izany. Natsipy tao amin’ny lafaoro nisy afo nirehitra, ohatra, ireo Hebreo telo lahy, ary natsipy tao an-davaky ny liona i Daniela. (Da 3:13-20; 6:4-17) Notafihina sy nenjehina mafy koa ny vahoaka jiosy, indrindra fa i Mordekay, nandritra ny fanjakan’i Ahasoerosy mpanjakan’i Persa noho izay nataon’i Hamana, ilay Agagita ratsy fanahy.—Es 3:1-12; 5:14.
Mety ho avy amin’ireo olona nifaneraserana taloha koa (1Pe 4:4) no iavian’ny fanenjehana, na avy amin’ny namana sy mpiray tanàna. (Je 1:1; 11:21) Nilaza i Jesosy fa indraindray dia havana akaiky anisan’ny ankohonana ihany no manjary manenjika mafy ny Kristianina.—Mt 10:21, 35, 36.
Raha noho ny fivavahana anefa no anenjehana olona, dia ireo mafana fo amin’ny fivavahan-diso no tena mahatonga ilay fanenjehana. Izany no nanjo an’i Jeremia (Je 26:11) sy ny apostoly Paoly. (As 13:6-8; 19:23-29) “Ny lehiben’ny mpisorona sy ny Fariseo” koa, ohatra, no nanenjika an’i Jesosy. Namory an’ireo anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy izy ireo, ary hoy i “Kaiafa izay mpisoronabe tamin’izany taona izany: ‘Tsy ao an-tsainareo hoe tsara ho anareo raha olona iray no maty ho an’ny vahoaka, toy izay ny firenena iray manontolo no ho rava.’” “Nanomboka tamin’izay andro izay àry, dia nikaon-doha hamono an’i Jesosy ireo.” (Jn 11:47-53) Maty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy tamin’ny farany, rehefa avy nijaly sy nenjehina tamin’ny fomba hafa noho ny nataon’ireo ratsy fanahy. Mpitondra fivavahana tapa-kevitra ny hamono an’i Jesosy no nampirisika azy ireo.—Mt 26:67; 27:1, 2, 26-31, 38-44.
Enjehina ny Kristianina. Tsy nitsahatra ny fanenjehana na dia rehefa maty aza i Jesosy. Izy mihitsy no nilaza izany, telo andro talohan’ny namantsihana azy. Hoy izy tamin’ny mponin’i Jerosalema nivadika: ‘Maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpampianatra ampahibemaso ho any aminareo aho. Ny sasany hovonoinareo ho faty sy hofantsihanareo amin’ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokaravasinareo ao amin’ny synagoganareo sy henjehinareo isan-tanàna. Amin’izay dia hanody anareo ny ran’ny olo-marina rehetra nalatsaka teto ambonin’ny tany, nanomboka tamin’ny ran’i Abela olo-marina ka hatramin’ny ran’i Zakaria, zanak’i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ny toerana masina sy ny alitara.’—Mt 23:34, 35.
Niresaka nitokana tamin’ny mpianany i Jesosy, ary nampitandrina azy ireo imbetsaka hoe: “Ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. ... Rehefa enjehiny ao amin’ny tanàna iray ianareo, dia mandosira any amin’ny tanàna hafa.” “Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.” “Horoahin’ny olona hiala amin’ny synagoga ianareo. Eny, ho tonga ny fotoana hiheveran’izay rehetra mamono anareo fa manao fanompoana masina ho an’Andriamanitra izy.”—Mt 10:22, 23; Jn 15:20; 16:2.
Nosamborina sy norahonana ary nokapohina ny Kristianina, tsy ela taorian’ny Pentekosta taona 33. (As 4:1-3, 21; 5:17, 18) Nosamborina sy notoraham-bato ho faty, ohatra, i Stefana. Nanameloka an’ireo nanenjika azy anefa izy talohan’ny nahafatesany. Hoy izy: “Iza moa no mpaminany tsy nenjehin’ny razanareo? Eny, novonoiny mihitsy aza ireo nanambara mialoha fa ho avy Ilay marina. Ary ankehitriny dia efa tonga mpamadika sy mpamono azy ianareo.” (As 7:52-60; jereo koa He 11:36, 37.) Nenjehina mafy ny Kristianina tao Jerosalema taorian’ny nahafatesan’i Stefana, ary anisan’ny nanao izany i Saoly avy any Tarsosy. Niparitaka àry izy ireo, ka nitory ny vaovao tsara tany am-pielezana. (As 8:1-4; 9:1, 2) Novonoina tamin’ny sabatra i Jakoba rahalahin’i Jaona, ary i Heroda Agripa I no nandidy izany. Saika nataony toy izany koa angamba i Petera raha tsy nanao fahagagana ny anjelin’i Jehovah tamin’ny alina be mba hamonjena azy.—As 12:1-11.
Niova ho Kristianina i Saoly tatỳ aoriana noho ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’i Jehovah, ary lasa nantsoina hoe Paoly. Niova izy rehefa azony tsara fa, hay, ny Tompo mihitsy no nenjehiny. Ilay mpanenjika indray àry izao no voaenjika. (As 9:4, 5; 22:4, 7, 8; 26:11, 14, 15; 1Ko 15:9; Ga 1:13, 23; Fi 3:6) Hita hoe nanenjika mafy azy ny fahavalon’ny Fivavahana Kristianina, rehefa jerena ny tantara momba ny fanompoany sy ireo dia nataony.—As 13:50; 2Ko 6:3-5; 11:23-25; Ga 5:11; 2Ti 3:10, 11.
Voarakitra ao amin’ny tantara mihitsy ny nanenjehan’ny Fanjakana Romanina ny Kristianina, nanomboka tamin’ny andron’i Néron sy taorian’izany. (Jereo KRISTIANINA.) Zavatra samy hafa no niampangana azy ireo, fa iray ihany ny tanjona tamin’izany, dia ny hanafoana ny Fivavahana Kristianina.
Toe-tsaina tsara hananana rehefa enjehina. Tsy maintsy enjehina rehefa mety ho Kristianina mitandrina ny didin’Andriamanitra. Hoy ny Baiboly: “Izay rehetra te hiaina ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy dia henjehina ihany koa.” (2Ti 3:12) Afaka miaritra fanenjehana mafy anefa ny tena Kristianina, sady mbola faly foana ary tsy manaratsy na mankahala an’ireo mpanenjika. Fantany tsara mantsy hoe iza no tena niavian’ilay fanenjehana ary nahoana izany no navela hitranga. Tsy very hevitra na manahy koa izy ireo, fa faly kosa satria manahaka an’i Kristy ka tsy mivadika rehefa enjehina.—1Pe 4:12-14.
Tokony ho azon’ny Kristianina antoka anefa fa tena noho ny fahamarinana no ijaliany. Asehon’ny Baiboly fa tsy misy mpanompon’Andriamanitra nenjehina satria nitsabaka tamin’ny politika, na nitetika hikomy, na nanao heloka bevava. Hoy i Petera: “Aoka ho tsara foana ny fitondran-tenanareo eo amin’izao tontolo izao, mba hanomezany voninahitra an’Andriamanitra amin’ny andro fanaraha-maso. Hanome voninahitra Azy tokoa izy ireo rehefa mahita ny asa tsara ataonareo, na dia nanendrikendrika anareo ho mpanao ratsy aza.” (1Pe 2:11, 12) Nanoro hevitra ny Kristianina izy avy eo mba hanaiky an’ireo manam-pahefana sy mpampiasa. Nampirisihiny koa ny vehivavy mba hanaiky ny vadiny. Nolazainy fa i Kristy Jesosy no modely amin’izany. (1Pe 2:13-25; 3:1-6) Tokony ho sambatra ny Kristianina raha mijaly noho ny fahamarinana. (1Pe 3:13, 14) Tsy tokony hisy kosa hijaly satria “mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin’ny raharahan’olona.”—1Pe 4:15, 16.
Sarobidy amin’ny Kristianina koa ny loka ho azon’izay miaritra. Hoy i Jesosy: “Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana, fa azy ny fanjakan’ny lanitra.” (Mt 5:10) Mahazo hery ireo enjehina satria fantany hoe hatsangana ny maty sy hoe iza no mampanantena izany. Manampy azy ireo tsy hivadika amin’Andriamanitra izany, na dia mandrahona ny hamono azy aza ny mpanenjika. Tsy matahotra ny ho faty izy ireo, satria inoany fa mitondra soa ho azy ireo ny fahafatesan’i Jesosy. (He 2:14, 15) Miankina be amin’ny toe-tsain’ny Kristianina no hahafahany tsy hivadika rehefa misy manohitra mafy. “Aoka ho ao aminareo foana izao toe-tsaina izao, izay tao amin’i Kristy Jesosy koa: ... Tonga hatramin’ny fahafatesana ny fankatoavany, eny, fahafatesana teo amin’ny hazo fijaliana.” (Fi 2:5-8) “Fa niaritra hazo fijaliana izy noho ilay fifaliana natao teo anoloany, ka tsy nitandro henatra.”—He 12:2; jereo koa 2Ko 12:10; 2Te 1:4; 1Pe 2:21-23.
Tena zava-dehibe koa ny toe-tsain’ny Kristianina manoloana an’izay manenjika azy. Ho afaka hiaritra izy raha tia an’ireo fahavalony sy mirary soa an’ireo manohitra azy. (Mt 5:44; Ro 12:14; 1Ko 4:12, 13) Fantatry ny Kristianina koa fa na mahafoy trano na havana noho ilay Fanjakana aza izy, dia hahazo avo zato heny nefa koa tsy maintsy iharan’ny “fanenjehana.” (Mr 10:29, 30) Marina aloha fa tsy izay rehetra manaiky ny vaovao tsara no hiaritra rehefa enjehina mafy. Mety hisy koa aza matahotra fanenjehana ka mitady hirika hialana amin’izany. (Mt 13:21; Ga 6:12) Aleo anefa miantehitra amin’ny herin’i Jehovah ary manao toa an’i Davida, ka mangataka an’i Jehovah mba hanafaka antsika amin’ireo mpanenjika. Tsy mahafoy ny mpanompony mantsy Izy. Ho afaka hiteny toa an’i Paoly isika amin’izay hoe: “Mivoaka ho mpandresy tanteraka isika amin’izany rehetra izany, amin’ny alalan’ilay tia antsika.”—Sl 7:1; 2Ko 4:9, 10; Ro 8:35-37.