FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Peora”
  • Peora

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Peora
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Beti-peora
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Balan’i Peora
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Balama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Peora”

PEORA

(Peòra).

Voalaza fa “teo an-tampon’i Peora, izay ahatazanana an’i Jesimona”, ny toerana fahatelo nitondran’i Balaka Mpanjaka an’i Balama mpaminany mba hanozona ny Israely. (No 23:28) Teo i Balama no nahatazana ireo tranolain’ny Israely teo amin’ny Lemak’i Moaba.​—No 22:1; 24:2.

Misy mihevitra fa fanafohezana an’i Beti-peora ny hoe Peora. (De 4:46) Toa tanàna tao amin’ny anjara lovan’i Robena anefa i Beti-peora. (Js 13:15, 16, 20) Misy milaza àry fa tendron’ny tendrombohitra iray i Peora, ary nantsoina hoe Beti-peora kosa ilay tanàna satria teo amin’ny tehezan’io tendrombohitra io. Toa nisy nifandraisany tamin’ny fivavahana tamin’i “Balan’i Peora” i Peora sy Beti-peora (No 25:1-3, 18; 31:16; Js 22:17), ary mety ho teo an-tampon’i Peora ny foiben’io fivavahana feno fitondran-tena maloto io.​—Jereo BALA No. 7; BALAN’I PEORA.

Nentina tany Bamota-bala aloha i Balama, vao tany “an-tampon’i Pisga”, ary farany tany “an-tampon’i Peora”, izany hoe avy tany atsimo no nianavaratra. (No 22:41; 23:14, 28) Tany avaratr’i Pisga sy ny Tendrombohitra Nebo àry no nisy an’i Peora. Mety ho iray amin’ireo tampon-tendrombohitra manodidina ny Lohasaha Falehan-driaka Hosbana i Peora, araka ny tenin’i Eusèbe sy Jérôme, tamin’ny taonjato fahatelo sy fahefatra.​—Jereo BETI-PEORA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara