PARTIANINA
(Partiànina) [An’i Partia].
Ireo avy any Partia no voatonona voalohany amin’ireo Jiosy sy olona niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy, tonga tao Jerosalema mba hankalaza ny Pentekosta, tamin’ny taona 33. Nilatsaka tamin’ny mpianatra kristianina 120 teo ho eo ny fanahy masin’Andriamanitra, ka afaka nitory ny vaovao tsara tamin’ny fiteny na tenim-paritr’ireny Partianina ireny izy ireo. Nandray tsara an’ilay hafatra ny sasany ka lasa Kristianina, ary azo inoana fa nampiely ny vaovao tsara rehefa niverina tany Partia. (As 1:15; 2:1, 4-12, 37-47) Jiosy tany ivelan’i Palestina ny Jiosy tany Partia. Tsy Jiosy kosa ireo “olona niova ho amin’ny fivavahana jiosy.”—As 2:10.
Tany atsimoatsinanan’ny Ranomasina Caspienne no niorina ny Fanjakana Partianina, nefa nitatra hatrany Eofrata ka hatrany India (Inde) izy io. Nofehezin’ny Persianina ny Partianina, nanomboka tamin’ny andron’i Kyrosy Mpanjaka. Nofehezin’ny Grika indray izy ireo tatỳ aoriana, nefa nikomy tamin’ireo mpandimby an’i Aleksandra Lehibe ka nahaleo tena nandritra ny taonjato maro, na dia tamin’ny andron’ny Romanina aza. Nifehy an’i Jodia nandritra ny taona maro izy ireo, mandra-pahazon’ny Romanina an’i Jodia. Mbola nahaleo tena ihany ny Partianina tamin’ny taonjato voalohany. Ny fivavahan’ny Persianina no tena narahin’izy ireo, nefa noleferiny koa ny fivavahan’ny Jiosy sy ny an’ny firenen-kafa.