FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Ofela”
  • Ofela

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ofela
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Jerosalema sy ny Tempolin’i Solomona
    ‘Jereo Ilay Tany Soa’
  • Tanànan’i Jerosalema (Davida/Solomona)
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Gehazy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Jerosalema
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Ofela”

OFELA

(Ofèla) [Dongon-tany [izany hoe zavatra mivonto, mivohitra, mibontsina]].

Ampiasaina amin-javatra roa ny teny hebreo hoe ʽôfel. Matetika izy io no ilazana dongon-tany na havoana. Ny endriny hafa iray amin’io teny io kosa dia ilazana zavatra mivonto, ohatra hoe lalan-dra mivonto amin’ny hemoroida.​—De 28:27; 1Sa 5:6, 9, 12; 6:4, 5.

Nisy toerana avo na dongon-tany iray nantsoina hoe haʽÔfel, na Ofela tao Jerosalema na teo akaikiny. Teo amin’ny zorony atsimoatsinanan’i Moria no nisy azy io, raha araka ny Soratra Masina sy ny tenin’i Josèphe. (2Ta 27:3; 33:14; Ne 3:26, 27; 11:21) Nilaza i Josèphe, tamin’ny taonjato voalohany, fa teo amin’izay nihaonan’ny manda atsinanana sy ny “lala-mitafon’ny tempoly teo atsinanana” no nisy an’i Ofela. (Ny Adin’ny Jiosy, V, 145 [iv, 2]) Azo inoana àry fa dongon-tany teo atsinanana izy io, teo amin’ny zorony atsimoatsinanan’ny havoana nisy ny tempolin’i Jerosalema.

Voaro tsara i Ofela satria sady nisy manda no avo toerana kokoa noho ny Lohasahan’i Kidrona. Naminany anefa i Isaia fa ‘hanjary lao’ i Ofela (azo inoana fa ilay tany Jerosalema).​—Is 32:14; ampitahao amin’ny tilikambo sy ‘dongon-tany’ (ʽÔfel) ao amin’ny Mi 4:8.

Milaza ny manam-pahaizana fa ilay ʽÔfel resahin’ny 2 Mpanjaka 5:24 dia havoana iray niavaka na toerana voaro mafy tany akaikin’i Samaria. Tany i Gehazy mpanompon’i Elisa no naka ny harena azony avy tamin’i Namàna. Ilazana dongon-tany hafa ankoatra ilay tany Jerosalema àry io teny hebreo io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara