MATORIANDRO
[Heb.: lilit].
Anisan’ny zavaboary nonina tao Edoma efa lao. (Is 34:14) Misy Baiboly nandika ny lilit hoe “vorondolo” (JM), “ilay mandehandeha amin’ny alina” (Prot.), “lolovokatra mpiseho alina” (Kat.), “matoriandro” (TV), na hoe “lilîta” (DIEM) fotsiny.
Tian’ny manam-pahaizana maro hoporofoina fa ny hoe lilit (heb.) dia avy amin’ny teny somerianina sy akadianina fahiny niantsoana ny demonia vavy mifehy ny rivotra (Lilito) tantarain’ny angano. Milaza kosa ny Profesora G. Driver fa avy amin’ny fototeny ilazana “an’izay fihetsika na zavatra miolanolana” izy io sy ny hoe layil (na lailah; heb.), izay midika hoe “alina” nefa misy heviny koa hoe “mihodidina na manarona ny tany.” Azo inoana àry, hoy izy, fa matoriandro ny lilit, satria vorona mpivoaka alina izy io, sady afaka mivily sy mihodina haingana rehefa manidina mihaza samoina, voangory, ary bibikely manidina hafa mpivoaka alina. Nilaza i Tristram mpandinika ny zavaboary, hoy i Driver, fa “mavitrika tsara” ny matoriandro “rehefa somambisamby, ka manidina haingana sady mihodina imbetsaka rehefa hipaoka ny hazany.”—Gazety Momba An’i Palestina, Londres, 1959, p. 55, 56.
Efa ho 30 sm ny lavan’ny matoriandro, ary 50 sm na mahery ny elany raha mivelatra. Malefaka toy ny an’ny vorondolo ny volony, ary misy pentimpentina volondavenona sy volontsôkôlà. Malefaka ny volon’elany ka tsy re tsaika ny fanidiny. Lehibe ny vavany ka nolazain’ny angano iray fahiny fa ninono tamin’ny osy ilay vorona.
Misy karazana matoriandro fantatra hoe monina any an-tany efitra, ka azo inoana fa nisy matoriandro tany amin’ny faritra ngazana tany Edoma. Any anaty alan’akasia sy kirihitrala tamariska any an-tany efitra no tena misy ny matoriandro ejipsianina (Caprimulgus aegyptius), ary rehefa harivariva izy no mitady sakafo. Eny an-tsisin’ny tany efitra anelanelan’i Jeriko sy ny Ranomasina Mena, izay faritra toy ny an’i Edoma, kosa no ahitana ny karazany iray hafa (Caprimulgus nubicus).