NEAPOLIA
(Neapôlìa) [Tanàna Vaovao].
Tanànan’i Gresy, teo amin’ny morontsiraka farany avaratry ny Ranomasina Égée. Izy io no seranan’i Filipy. Maro no milaza azy io ho i Kavalla ankehitriny. Eo amin’ny tendrontany be vato eo amin’ny Hoalan’i Kavalla no misy an’io tanàna io, ary eo andrefany no misy ny seranana. Tokotokony ho 15 km any atsimoatsinanan’ny tanàna ravan’i Filipy kosa no misy an’i Kavalla. Misy soratra latinina milaza fa nifehy an’i Neapolia i Filipy tamin’ny andron’ny Romanina. Misy lakandrano efa simba ao, ka toa ny Romanina no nanao azy io. Mampitohy an’i Neapolia sy Filipy ny Lalana Egnatia, izay namboarin’ny Romanina. Mitohy miankandrefana izy io, hatrany Durazzo (Durrës) eo amoron’ny Ranomasina Adriatika.
Nankany Neapolia ny apostoly Paoly tamin’izy namaly ilay antso hoe: “Miampità mankatỳ Makedonia.” Sambany izy tamin’izay no nankany Eoropa. Nandeha adiny telo na efatra angamba izy avy eo nanavatsava tandavan-tendrombohitra, rehefa niala tao Neapolia mba ho any Filipy. (As 16:9-11) Nandalo tao Neapolia indray izy, enin-taona teo ho eo tatỳ aoriana.—As 20:6.