MEDADA
(Medàda).
Anisan’ireo anti-panahy israelita 70 voafidy mba hanampy an’i Mosesy tany an-tany efitra. Marina fa tsy niaraka tamin’ireo anti-panahy hafa nankany amin’ny tranolay fihaonana i Medada sy Eldada, nefa “anisan’ireo voasoratra” izy ireo. Rehefa nakan’i Jehovah àry ny fanahy tao amin’i Mosesy ka nataony tao amin’ny tsirairay tamin’ireo anti-panahy 70, dia nahazo tamin’izany koa izy roa lahy ka nanao hoatran’ny mpaminany tao an-toby. (No 11:16, 17, 24-26) Nasain’i Josoa noraran’i Mosesy izy roa lahy. Hoy anefa i Mosesy: “Ny fahefako ve no mahasaro-piaro anao? Tsy mety izany! Satriko aza raha mpaminany daholo ny vahoakan’i Jehovah rehetra, ka homen’i Jehovah ny fanahiny!”—No 11:27-29.