FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Tady Fandrefesana”
  • Tady Fandrefesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tady Fandrefesana
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • “Ity no andro lehibe indrindra amin’ny andro rehetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Mivoha ho an’ny olona ny lalan’ny fiainana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1974
  • Hampihatra ny Fahatezerany Amin’ireo Firenena i Jehovah
    Ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra I
  • Filamatra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Tady Fandrefesana”

TADY FANDREFESANA

Tady na kofehy natao handrefesana (1Mp 7:15, 23; Am 7:17; Za 2:1, 2), ary toa hakiho no refy nampiasaina tamin’ny sasany. (2Ta 4:2) Nohenjanina teo ambonin’izay velaran-tany nila norefesina ilay tady. (Ampit. Jb 38:4, 5; Sl 78:55; Mi 2:4, 5.) Nampiasa azy io ny mpanorina tanàna (Je 31:38, 39; Za 1:16), sy ny mpanao sokitra rehefa nandrefy ny zavatra namboariny. (Is 44:13) Toa norefesin’i Davida Mpanjaka tamin’ny tady koa ireo Moabita resiny, mba hamaritana hoe iza no hovonoina ary iza no hotsimbinina.​—2Sa 8:2.

Heviny an’ohatra. Ilazana fitsipika tsy maintsy arahina ny hoe “tady fandrefesana.” (Is 28:10, 13, f.a.p.) “Ny rariny”, ohatra, ‘no nataon’i Jehovah tady fandrefesana’ rehefa nivadika taminy ny vahoakany. (Is 28:17) Ny tady nampiasainy tamin’i Samaria ihany no nandrefesany an’i Jerosalema, ka ho lao koa i Jerosalema. (2Mp 21:13; Ft 2:8) Hohenjaniny eo amin’i Edoma koa “ny tady andrefesana ny fahafoanana”, ka ho ringana ny mponina ao. Hampiasaina ilay tady satria hotsinjaraina ho fonenan’ny biby ilay tany lao.​—Is 34:5-17.

Nilaza i Davida fa ny fifandraisany tamin’i Jehovah no anjara nomena azy. Tena tiany ilay lovany, ka hoy izy: “Toerana mahafinaritra no voafaritra ho ahy tamin’ny tady fandrefesana.”​—Sl 16:5, 6; ampit. No 18:20.

Ahariharin’ny zavatra eny amin’ny lanitra fa noforonin’Andriamanitra izy ireny. Re eran-tany ny fanambarana ataony na dia tsy miteny aza ireny, ka hoy ny mpanao salamo: ‘Efa nivoaka eran-tany ny tady fandrefesany.’​—Sl 19:1-4; Ro 1:20.

Jereo BARARATA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara