FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Antokon-kintana Mazarota”
  • Antokon-kintana Mazarota

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Antokon-kintana Mazarota
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Antokon-kintana Asha
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Antokon-kintana Kimaha
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Antokon-kintana Fijerena Tononandro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Kintana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Antokon-kintana Mazarota”

ANTOKON-KINTANA MAZAROTA

(Mazaròta).

Milaza ny Targoma Aramianina fa io Mazarota io dia ilay mazzalôht ao amin’ny 2 Mpanjaka 23:5, izay nadika hoe “ireo antokon-kintana fijerena tononandro” (TV), na “ny famantarana roa ambin’ny folo” (Kat.), na “ny kintana amin’ny Zodiaka.” (Prot.) Misy indray mihevitra fa avy amin’ny fototeny midika hoe “manao boribory manodidina” ny hoe Mazarota, ka manondro an’ireo kintana ao amin’ny boriborin’ny Zodiaka. Ao amin’ny Joba 38:32 no ahitana ny hoe Mazarota. Mpisolo anarana milaza tokana no miaraka amin’ilay teny hebreo nadika hoe “fotoana voatondro”, ao amin’io andininy io, izany hoe ny fotoana voatondro hivoahan’ilay antokon-kintana. Ny 2 Mpanjaka 23:5 kosa miresaka antokon-kintana maro. Toa antokon-kintana iray mitokana àry ny Mazarota, fa tsy ny kintana rehetra ao amin’ny boriborin’ny Zodiaka. Tsy fantatra marina anefa ankehitriny ny antokon-kintana tiana holazaina amin’ny hoe antokon-kintana Mazarota.

Hoy i Jehovah tamin’i Joba: “Vitanao ve ny mamoaka ny antokon-kintana Mazarota amin’ny fotoana voatondro? Ary mahatarika ny antokon-kintana Asha sy ny zanany ve ianao?” (Jb 38:32) Tsy hoe te hanontany momba ny antokon-kintana i Jehovah, fa te hampiaiky an’i Joba kosa hoe tsy vitan’io mpanompony io ny mifehy an’ireny kintana eny amin’ny lanitra ireny, na mamoaka antokon-kintana amin’ny fotoana tokony hivoahany, na mitarika azy amin’ny lalana tokony halehany eny amin’ny lanitra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara