FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Matia”
  • Matia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Matia
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Apostoly
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Paoly
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Josto
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Matia”

MATIA

(Matià) [mety ho fanafohezana an’ilay anarana heb. nadika hoe Matitia, izay midika hoe “Fanomezan’i Jehovah”].

Mpianatra voafidy tamin’ny antsapaka ho apostoly solon’i Jodasy Iskariota. Taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra, dia nilaza tamin’ny mpianatra 120 teo ho eo tafavory i Petera fa tokony hosoloana i Jodasy, araka ny tenin’i Davida mpanao salamo hoe: “Aoka ho lasan’olon-kafa ny andraikitra notanany” (Sl 109:8), noho izy nivadika. (Sl 41:9) I Josefa Barsabasy sy Matia no natolotra, ka i Matia no voafidy tamin’ny antsapaka, taorian’ny vavaka. Andro vitsy monja talohan’ny nilatsahan’ny fanahy masina izany no nitranga. Io no farany nitantaran’ny Baiboly hoe ny fanaovana antsapaka no nahafantarana izay nofidin’i Jehovah.​—As 1:15-26.

Nilaza i Petera fa efa nanaraka an’i Jesosy Kristy nandritra ny telo taona sy tapany nanompoany i Matia, ary niaraka akaiky tamin’ny apostoly. (As 1:21, 22) Tena azo inoana fa anisan’ny mpianatra 70 nirahin’i Jesosy hitory koa izy. (Lk 10:1) Neken’ny fiangonana ho ‘nanampy isa an’ireo apostoly iraika ambin’ny folo’ izy rehefa voafidy. (As 1:26) Anisan’ny “apostoly” na ny “roa ambin’ny folo lahy” noresahin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly taoriana kelin’izay àry izy.​—As 2:37, 43; 4:33, 36; 5:12, 29; 6:2, 6; 8:1, 14; jereo PAOLY.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara