MELIKO
(Melìko).
Fianakaviana mpisorona. Nisy solontenan’io fianakaviana io nanompo tamin’ny andron’i Joiakima Mpisoronabe sy tamin’ny andron’i Ezra sy Nehemia Governora.—Ne 12:12, 14, 26.
Tsy Meliko fa Maloky no hita ao amin’ny soratra nataon’ny Masoreta, saingy misy fanamarihana eo an-tsisim-pejy milaza fa tokony hotononina hoe Meliko io anarana io. “Malok” kosa no ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ary misy manam-pahaizana milaza fa io no tena fanoratra an’io anarana io tany am-boalohany. Avy amin’ny litera voalohany amin’ilay teny ao aorian’io anarana io, hono, ilay y (heb.: yôda [י]) eo amin’ny faran’ny hoe Maloky. Voasoratra tsy nahy fanindroany teo, mantsy hono, izy io rehefa nanoratra ireo mpanao dika soratra. Tsy misy porofo anefa manamarina izany.