MAGBISY (Magbìsy). Anaran’olona na anaran-toerana. Nisy 156 ny “taranak’i Magbisy” niverina avy tany an-tsesitany tany Babylona. (Ezr 2:1, 30) Misy milaza fa ny tanànan’i Kirbet el-Makbiyeh, 5 km any atsimoandrefan’i Adolama, io Magbisy io.