FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Levy”
  • Levy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Levy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Lea
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Merary
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Lesona avy Amin’ny Faminanian’i Jakoba​—Fizarana 1
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Jakoba
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Levy”

LEVY

(Lèvy) [Mipetaka; Miraikitra].

1. Zanakalahy fahatelo naterak’i Jakoba tamin’i Lea vadiny, tany Padana-arama. (Ge 35:23, 26) Hoy i Lea tamin’ny niteraka azy: “Hiraiki-po kokoa amiko izao ny vadiko, satria efa telo lahy no naterako taminy.” Nantsoina hoe Levy àry izy. Hita amin’ny dikan’ilay anarana fa nanantena i Lea hoe hiraiki-po aminy amin’izay i Jakoba. (Ge 29:34) I Levy no rain’i Gersona (Gersoma) sy Kehata ary Merary, izay niavian’ireo fizarana telo lehibe amin’ny Levita.​—Ge 46:11; 1Ta 6:1, 16.

Tafahoatra loatra ny nataon’i Levy sy Simeona rahalahiny tamin’ireo olona nandoto an’i Dina anabaviny. (Ge 34:25, 26, 31) Nozonin’i Jakoba izany fahatezerana sy herisetra izany, ka nilaza izy fa haparitaka any amin’ny Israely ny taranak’i Levy. Tanteraka tokoa izany. Niparitaka tany amin’ireo tanàna levita 48 nanerana ny faritanin’ireo fokon’ny Israely mantsy ny Levita, tao Kanana. (Ge 49:7; Js 21:41) Niaraka tamin’i Jakoba tany Ejipta i Levy, ary maty tany rehefa 137 taona.​—Ek 1:1, 2; 6:16; jereo LEVITA.

2. Razamben’i Jesosy Kristy. Voalaza fa “zanak’i Simeona” i Levy ao amin’ilay tetirazan’i Jesosy nosoratan’i Lioka. Eo anelanelan’ny anaran’i Davida sy Zerobabela ny anarany.​—Lk 3:27-31.

3. “Zanak’i Melky.” Anaran’olona iray no manelanelana ny anaran’i Levy sy Hely (rain’i Maria), ao amin’ilay tetirazan’i Jesosy nosoratan’i Lioka.​—Lk 3:23, 24.

4. Mpamory hetra. (Mr 2:14; Lk 5:27, 29) Lasa apostolin’i Jesosy Kristy izy ary nantsoina koa hoe Matio.​—Mt 9:9; 10:2-4; jereo MATIO.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara