LADANOMA
(ladanòma).
Ditin’ny ravina sy sampan’ny karazana hazo Cistus, na raozim-bato. Malemy io dity io, mainty na volontsôkôlà, mangidy nefa manitra, ary atao amin’ny ranomanitra. Nisy fotoana koa natao fanafody izy io. Hoy i Hérodote (III, 112), Grika mpahay tantara fahiny: “Alaina eo amin’ny volombavan’ny osilahy ilay dity, satria miraikitra eo rehefa avy niraoka ahitra tany anaty kirihitra ireo osy. Atao amin’ny menaka fanosorana isan-karazany izy io, ary emboka manitra fandoron’ny Arabo.”—Nadikan’i G. Rawlinson.
Nekôʼt (heb.) izy io, ary entana nentin’ny Ismaelita maromaro nividy an’i Josefa, sady anisan’ny vokatra tsara nasain’i Jakoba nentin’ny zanany ho fanomezana ho an’ilay mpitondra tany Ejipta. (Ge 37:25; 43:11) Nadika hoe “nekota” (Prot.), “astragala” (Kat.), “zava-manitra” (JM) izy io, na koa “ladanoma” (TV) araka ny famaritan’i Koehler sy Baumgartner.—Lexicon in Veteris Testamenti Libros, Leyde, 1958, p. 615.