FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Mpitsara, Bokin’ny”
  • Mpitsara, Bokin’ny

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpitsara, Bokin’ny
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Boky ao Amin’ny Baiboly Faha-7 — Mpitsara
    “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa”
  • Ny bokin’ny Mpitsara, fampaherezana mba hanatanjaka sy hiaina ny finoan’ny tena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Hevitra Misongadina ao Amin’ny Bokin’ny Mpitsara
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Mpitsara
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Mpitsara, Bokin’ny”

MPITSARA, BOKIN’NY

Boky ao amin’ny Baiboly mitantara izay nitranga nandritra ny 330 taona teo ho eo, taorian’ny nahazoan’ny Israely ny tany Kanana sy talohan’ny nitondran’ny mpanjaka voalohany. Efa nampitandremana ny Israelita fa ho voataona hanaraka ny fivavahan-dison’ny Kananita izy ireo, raha tsy roahiny ny Kananita araka ny baikon’Andriamanitra. Tsy hankasitrahan’i Jehovah intsony izy ireo, ka havelany ho resin’ny fahavalo. (Ek 23:32, 33; 34:11-17; No 33:55; De 7:2-5) Tantarain’ny bokin’ny Mpitsara fa tsy nankatò tokoa ny Israelita. Nivadika izy ireo ka nampahorin’ny firenen-kafa. Tsy izany loatra anefa no tena resahin’ilay boky, fa ny zava-bitan’ireo mpitsara izay nampiasain’i Jehovah hanafaka ny Israelita. Asongadiny koa fa mahavonjy i Jehovah, mahari-po, mamindra fo, maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa, ary manao ny rariny. Modely ho antsika koa ireo mpitsara noho ny finoany.​—He 11:32-34, 39, 40.

Votoatiny. Misy ifandraisany amin’ilay boky eo alohany ny Mpitsara, satria hoy ny Mpitsara 1:1: “Taorian’ny nahafatesan’i Josoa, dia ...” Nitranga talohan’ny nahafatesany anefa ny zavatra sasany resahina ao. Milaza, ohatra, ny Mpitsara 2:6 hoe: “Rehefa nalefan’i Josoa ny vahoaka, dia samy nankany amin’ny lovany avy ny zanak’Israely mba haka an’ilay tany.” Toy ny hoe teny fampidirana àry ny Mpitsara 1:1–3:6, ka izay nitranga taloha sy taorian’ny nahafatesan’i Josoa no niaingan’ilay mpanoratra. Milahatra araka ny fotoana nisehoany ireo zava-nitranga resahin’ny Mpitsara 3:7–16:31, dia izay nataon’ireo mpitsara 12 (tsy anisan’izany i Debora) nanomboka tamin’i Otniela ka hatramin’i Samsona. Azo lazaina hoe tantara fanampiny ny tapany farany amin’ilay boky, ary nitranga elaela talohan’ny nitsaran’i Samsona. Azo inoana fa talohan’ny nahafatesan’i Josoa koa no nahazoan’ny Danita ny tanànan’i Laisy. (Ampit. Js 19:47; Mpts 18:27-29.) Angamba tsy ela taorian’ny nahafatesan’i Josoa ireo lehilahy tao Gibea no niara-nametaveta vehivavy iray, ka saika ripaka ny fokon’i Benjamina. (Mpts 19:1–21:25; Js 24:31) Niisa 600 teo ho eo sisa ny Benjamita mpiady tamin’izay (Mpts 20:47), nefa efa ho 60 000 izy ireo tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka.​—1Ta 7:6-12.

Mpanoratra sy fotoana nanoratana azy. Fantatra avy amin’izay voalazan’ilay boky ny fotoana nanoratana azy. Nisy mpanjaka teo amin’ny Israely rehefa natambatra ilay boky, matoa nilaza toy izao ilay mpanoratra rehefa nitantara ny lasa: “Tsy nisy mpanjaka teo amin’ny Israely tamin’izany andro izany.” (Mpts 17:6; 18:1; 19:1; 21:25) Mbola tao Jerosalema koa ny Jebosita. (Mpts 1:21) Azon’i Davida tamin’ny 1070 T.K. “i Ziona, ilay tanàna voaro mafy” (anisan’i Jerosalema), ka izy io indray no nataony renivohitra. (2Sa 5:6-9) Nosoratana talohan’izay àry ny bokin’ny Mpitsara, angamba tamin’ny andron’i Saoly Mpanjaka. I Samoela mpaminanin’i Jehovah no tena nanohana ny fivavahana marina tamin’izay, ka mety ho izy no nanoratra ilay boky.

Anisan’ny Soratra Masina. Tsy isalasalana fa anisan’ny Baiboly ny bokin’ny Mpitsara. Resahiny amim-pahatsorana ireo fahotana lehibe nataon’ny Israely. Tsy mpitsara olombelona fa i Jehovah Andriamanitra no omeny voninahitra sy ankalazainy, satria Izy no tena namonjy ny Israely. Ny fanahiny no nanome hery an’ireo mpitsara (Mpts 3:9, 10; 6:34; 11:29; 13:24, 25; 14:6, 19; 15:14, 18; 16:20, 28-30), ary izy ireo kosa nanaiky an’i Jehovah ho Mpitsara (11:27) sy Mpanjaka (8:23). Miresaka momba ny zavatra tantarain’ny bokin’ny Mpitsara koa ny boky hafa ao amin’ny Baiboly.​—1Sa 12:9-11; 2Sa 11:21; Sl 83:9-12; Is 9:4; 10:26; He 11:32-34.

[Efajoro, pejy 135]

HEVITRA MISONGADINA: MPITSARA

Tantara velombelona momba ny nanendren’i Jehovah mpitsara hamonjy imbetsaka ny Israelita, rehefa tsy nanompo sampy intsony izy ireo ka nitady vonjy taminy

Toa nosoratan’i Samoela ilay tantara naharitra 330 taona teo ho eo (taorian’ny nahazoana an’i Kanana sy talohan’ny nitondran’ny mpanjaka voalohany)

Zava-nitranga tamin’ny andron’ny Mpitsara (1:1–3:6)

Tsy noroahin’ny fokon’ny Israely daholo ireo mponin’i Kanana, rehefa maty i Josoa

Nanambady mpanompo sampy ny Israelita ka nanaraka ny fivavahan’ireny

Navelan’i Jehovah ho resin’ny fahavalo; nafahan’ny mpitsara voatendriny anefa indraindray

Novonjena ny Israely rehefa tsy nanompo sampy intsony sy niantso vonjy tamin’i Jehovah (3:7–16:31)

Nafahan’i Otniela ny Israely, izay nanompo valo taona an’i Kosana-risataima mpanjakan’i Mezopotamia

Nampahory nandritra ny 18 taona i Eglona mpanjakan’i Moaba, nefa namono azy i Ehoda ary namory tafika, ka resy ny Moabita

Nahafaty Filistinina 600 i Samgara irery, ka novonjeny ny Israely

Nampirisihin’i Debora mpaminanivavy i Baraka ka nandresy an’i Jabina izay nampahory nandritra ny 20 taona; novonoin’i Jaela vadin’i Hebera Kenita i Sisera lehiben’ny tafik’i Jabina; nanao hiram-pandresena i Debora sy Baraka

Nampahory nandritra ny fito taona ny Midianita; nirahina hanafaka ny Israely i Gideona; nampian’i Jehovah handresy izy sy ny miaramilany 300 monja; tsy nety natao mpanjaka i Gideona

Nitsara nandritra ny 23 taona i Tola, ary nandritra ny 22 taona i Jaira

Nampahorin’ny Amonita ny Israely; nirahin’i Jehovah hamonjy azy ireo i Jefta; nanefa ny voadiny izy ka nanolotra ny zanany tokana hanompo an’i Jehovah

Nitsara nandritra ny 25 taona teo ho eo i Ibzana, Elona, ary Abdona, raha atambatra

Nataon’i Jehovah natanjaka be i Samsona ary nirahiny hanafaka ny Israelita izay nampahorin’ny Filistinina 40 taona; nahita hirika hamonoana Filistinina rehefa saika haka vady vehivavy filistinina tany Timna; namadika azy i Delila; nahafaty Filistinina maro kokoa noho ny fony fahavelony anefa izy rehefa ho faty

Zava-dratsy hafa nitranga tamin’ny andron’ny Mpitsara (17:1–21:25)

Nasian’i Mika sampy tao an-tranony tany Efraima, ary Levita tanora no nataony mpisorona

Nisy Danita nangalatra an’ireo sampin’i Mika; nalain’izy ireo koa ilay Levita mba ho mpisorona ho azy ireo

Niara-nametaveta vehivavy iray vadikelin’ny Levita ireo Benjamita tao Gibea; niady tamin’ny fokon’i Benjamina ireo foko hafa satria tsy navelany hofaizina ireo meloka; saika ripaka ny fokon’i Benjamina

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara