FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Jozabada”
  • Jozabada

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Jozabada
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Bany
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Hasabia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Agripa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mesolama
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Jozabada”

JOZABADA

(Jozabàda) [mety hidika hoe “I Jehovah dia Nanome”].

1. Miaramila gaderatita niandany tamin’i Davida tao Ziklaga.​—1Ta 12:1-4.

2, 3. Roa lahy anisan’ny mpifehy avy amin’ny fokon’i Manase. Nivadika tamin’i Saoly ireo mpifehy, ka nankany amin’i Davida tao Ziklaga ary lasa lehiben’ny tafiny.​—1Ta 12:20, 21.

4. Ny faharoa tamin’izy valo lahy zanak’i Obeda-edoma, ary anisan’ny mpiandry vavahadin’ny toerana masina.​—1Ta 26:1, 4, 5, 13, 15.

5. Manamboninahitra benjamita nifehy miaramila 180 000 tao amin’ny tafik’i Josafata Mpanjaka.​—2Ta 17:17, 18.

6. Mpanompon’i Joasy mpanjakan’ny Joda. Niray tetika izy sy Jozakara, mpanompo namany, mba hamono an’i Joasy, noho izy io namono an’i Zakaria zanak’i Joiada. Novonoin’i Amazia zanak’i Joasy sy mpandimby azy izy roa lahy tatỳ aoriana. Zanak’i Simrita, vehivavy moabita, sy Somera i Jozabada.​—2Mp 12:20, 21; 2Ta 24:20-22, 25-27; 25:1, 3.

7. Levita mpiadidy notendren’i Hezekia Mpanjaka mba hanampy hikarakara ny ampahafolon-karena sy ny fanomezana ary ny zava-masina nentin’ny vahoaka.​—2Ta 31:12, 13.

8. Mpiadidy teo amin’ny Levita. Nanome ondry sy omby maro izy, rehefa nankalazaina ilay Paska nanetriketrika tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka.​—2Ta 35:1, 9, 18.

9. Levita taorian’ny sesitany. Natolotr’i Ezra sy ny namany an’i Jozabada sy ny Levita hafa ny zava-tsarobidy rehetra nentina avy tany Babylona ho any Jerosalema, rehefa avy nolanjainy (468 T.K.). (Ezr 8:33, 34) Jereo No. 8, 9, ary 10.

10. Zanakalahin’i Pasora na taranany, ary anisan’ny mpisorona nandroaka ny vadiny hafa firenena sy ny zanany.​—Ezr 10:22, 44.

11. Anisan’ny Levita nandroaka ny vadiny hafa firenena rehefa nampirisihin’i Ezra. (Ezr 10:10, 11, 23, 44) Mety ho izy ihany ilay No. 6, 9, ary 10.

12. Anisan’ny Levita niaraka tamin’i Ezra sy Nehemia, rehefa namaky sy nanazava ny Lalàna tamin’ny vahoaka izy ireo. (Ne 8:7-9) Mety ho izy ihany ilay No. 6, 8, ary 10.

13. Levita “nisahana ny andraikitra tany ivelan’ny” tempoly izay naorina indray. (Ne 11:15, 16) Mety ho izy ihany ilay No. 6, 8, ary 9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara