JEHO
(Jèho) [mety hidika hoe I Jehovah no Izy].
1. Benjamita avy any Anatota, nanolo-tena hanampy an’i Davida tamin’ny ady, rehefa tany Ziklaga i Davida fa nandositra an’i Saoly Mpanjaka. Anisan’ny lehilahy mahery “mpandefa zana-tsipìka, izay sady kavanana no kavia rehefa mampiasa pilotra sy mandefa zana-tsipìka” i Jeho.—1Ta 12:1-3.
2. Mpaminany zanakalahin’i Hanany. Naminany izy hoe ho fongotra ny ankohonan’i Basa mpanjakan’ny Israely. (1Mp 16:1-4, 7, 12) Nisy mpaminany atao hoe Jeho koa (angamba izy ihany) niteny mafy an’i Josafata mpanjakan’ny Joda, 33 taona mahery taorian’izay, noho izy io ninamana tamin’i Ahaba mpanjakan’ny Israely ratsy fanahy sy nanampy azy. (2Ta 19:1-3) Voarakitra “ao amin’izay nosoratan’i Jeho zanak’i Hanany, ka nampidirina tao amin’ny Boky Momba ny Mpanjakan’ny Israely” ny tantaran’i Josafata.—2Ta 20:34.
3. Zanakalahin’i Josafata (tsy ilay mpanjakan’ny Joda) sady zafikelin’i Nimsy (2Mp 9:14), ary mpanjakan’ny Israely (t. 904-877 T.K.). Voatery nandositra tany an-tendrombohitra Horeba i Elia mpaminany, tamin’ny andron’i Ahaba mpanjakan’ny Israely, mba tsy hovonoin’i Jezebela vadin’i Ahaba. Nasain’Andriamanitra niverina anefa izy mba hanosotra lehilahy telo: I Elisa mba handimby an’i Elia, Hazaela ho mpanjakan’i Syria, ary Jeho ho mpanjakan’ny Israely. (1Mp 19:15, 16) Nanosotra (na nanendry; jereo VOAHOSOTRA, FANOSORANA) an’i Elisa i Elia, fa i Elisa kosa no nanosotra an’i Jeho tatỳ aoriana.
Tsy hoe nangataka andro na nanao tsirambina i Elia, raha i Elisa indray no nanosotra an’i Jeho. I Jehovah mihitsy mantsy no nilaza taminy tatỳ aoriana fa tsy amin’ny andron’i Ahaba, fa amin’ny andron’ny zanany, no ho tonga amin’ny ankohonan’i Ahaba ny loza (hampiharin’i Jeho). (1Mp 21:27-29) Nety tsara ny fotoana nofidin’i Jehovah hanosorana an’i Jeho, satria afaka nanao zavatra avy hatrany izy io raha vao voahosotra. I Jeho koa tsy olona mpisalasala na tia miandriandry fa tonga dia manao zavatra raha vao tapa-kevitra.
Tonga àry ilay fotoana. Nisy ady tamin’izay. Efa maty i Ahaba, ary i Jorama zanany no nanjaka. Tao Ramota-gileada ny tafik’Israely, niandriandry ny fanafihan’i Hazaela mpanjakan’i Syria, ary anisan’ny mpitari-tafika tao i Jeho. (2Mp 8:28; 9:14) Fony izy sy Bidkara manamboninahitra lefiny tao amin’ny tafik’i Ahaba no nandre an’i Elia nanameloka an’i Ahaba sy naminany hoe ‘hampiharin’i Jehovah aminy eo amin’ny sombin-tanin’i Nabota ny famaliana.’ Nalain’i Ahaba mantsy io tany io, rehefa nampamono an’i Nabota i Jezebela vadiny.—1Mp 21:11-19; 2Mp 9:24-26.
I Jorama mpanjakan’ny Israely kosa tao Jezirela tamin’izay, nitsabo ny ratra nataon’ny Syrianina taminy tany Rama (Ramota-gileada). Tonga tao koa i Ahazia mpanjakan’ny Joda zanak’i Atalia (zanakavavin’i Ahaba sy Jezebela) anabavin’i Jorama, mba hamangy an’ilay dadatoany naratra.—2Mp 8:25, 26, 28, 29.
Nohosorana ho mpanjaka. Nasain’i Elisa nitondra tavoara kely fitoera-menaka ny iray tamin’ireo zanaky ny mpaminany, mba hanosotra an’i Jeho tany amin’ilay toby tao Ramota-gileada, ary avy eo handositra. Niaraka tamin’ny manamboninahitra hafa i Jeho, ka nentin’ilay mpanompo nankao amin’ny trano iray, ary nohosorany ho mpanjaka sady nasainy handripaka ny ankohonan’i Ahaba. Nandositra ilay mpanompo avy eo, araka ny baikon’i Elisa.—2Mp 9:1-10.
Rehefa nivoaka an’ilay trano i Jeho, dia te hampiseho hoe tsy zava-dehibe izay nolazain’ilay mpaminany, nefa hitan’ny miaramila tamin’ny endriny sy fihetsiny fa tsy izany no izy. Nisisika nanontany izy ireo, ka nilaza izy hoe voahosotra ho mpanjakan’ny Israely ny tenany. Tonga dia nambaran’ny tafika ho mpanjaka àry izy.—2Mp 9:11-14.
Naripany ny ankohonan’i Ahaba. Tsy navelan’i Jeho hisy hilaza tany Jezirela ilay vaovao. Izy kosa nitaingina kalesy nankany sady nandeha mafy. (2Mp 9:15, 16) Nasainy nankao aorian’ny miaramilany ireo irak’i Jorama avy tao Jezirela, rehefa nanontany hoe “Fihavanana ve?” Nihananatona ihany ilay “andian’olona” nitaingina soavaly sy kalesy notarihin’i Jeho. Fantatry ny mpitily teny ambony tilikambo fa i Jeho ilay niriotra mafy “hoatran’ny adala.” Lasa niahiahy i Jorama mpanjakan’ny Israely zanak’i Ahaba, ka nivoaka nitaingina kalesin’ady. Nifanena teo amin’ny sombin-tanin’i Nabota izy sy Jeho. Nitifitra azy tamin’ny zana-tsipìka i Jeho, ary nibaiko an’i Bidkara manamboninahitra lefiny hanipy ny fatiny teo amin’ny sahan’i Nabota, araka ny faminanian’i Elia. Niditra tao Jezirela i Jeho avy eo. I Ahazia zafikelin’i Ahaba izay niaraka tamin’i Jorama kosa saika hitsoaka tany Jerosalema renivohiny, saingy tsy tody tany ka niafina tao Samaria. Voasambotra anefa izy tatỳ aoriana, ka nentina tany amin’i Jeho tany akaikin’ny tanànan’i Ibleama, tsy lavitra an’i Jezirela. Nasain’i Jeho novonoin’ny miaramilany tao anaty kalesin’ady izy rehefa hiakatra ho any Gora, tany akaikin’i Ibleama. Tsy maty anefa izy fa naratra mafy, ary nandositra tany Megido ka maty tany. Nentina nalevina tany Jerosalema izy avy eo.—2Mp 9:17-28; 2Ta 22:6-9.
Rehefa tonga tao Jezirela i Jeho, dia nandrahona azy an-kolaka i Jezebela vadin’i Ahaba ka niteny hoe: “Inona moa no nanjo an’i Zimry, ilay namono ny tompony?” (Jereo 1Mp 16:8-20.) Tsy nihontsina anefa i Jeho, fa nasainy nazeran’ny tandapa ravehivavy. Nipitipitika tamin’ny rindrina ny rany, ary nohitsahin’ny soavalin’i Jeho izy. Mafy fo i Jeho satria ‘niditra tao an-trano izy ka nihinana sy nisotro’ taorian’izay. Nasainy nalevina i Jezebela avy eo. Efa nohanin’ny alika anefa ny nofony, ka tsaroan’i Jeho ny faminanian’i Elia momba ny fomba hahafatesany.—2Mp 9:30-37; 1Mp 21:23.
Tsy nitaredretra i Jeho namita iraka. Nasainy nifidy mpanjaka iray tamin’ireo 70 lahy zanak’i Ahaba sy niady taminy ny olona tao Samaria. Natahotra anefa izy ireo ka naleony nifidy an’i Jeho. Notsapain’i Jeho àry izy ireo. Hoy izy: “Raha ahy ianareo, ... dia tapaho ny lohan’ireo zanakalahin’ny tomponareo, ary tongava atỳ amiko atỳ Jezirela, rahampitso toy izao.” Nentina tany aminy tao anaty harona tokoa ny lohan’izy 70 lahy ny ampitso, ka nasainy natao antontany roa teo am-bavahadin’i Jezirela mandra-paharainan’ny andro. Novonoiny daholo koa ny olo-manan-kajan’i Ahaba, ny namany, ny mpisorony ary izy 42 lahy rahalahin’i Ahazia mpanjakan’ny Joda, izay zafikelin’i Ahaba sady zanak’i Jorama mpanjakan’ny Joda (vadin’i Atalia zanak’i Jezebela ratsy fanahy).—2Mp 10:1-14.
Efa be ny vitan’i Jeho, nefa mbola be ny asa niandry azy mba hamongorana ny fivavahana tamin’i Bala tany Israely. Nafana fo toy ny mahazatra izy namita izany haingana. Nifanena tamin’i Jonadaba Rekabita izy rehefa ho any Samaria. Noderain’i Jehovah tatỳ aoriana ny taranak’izy io satria tsy nivadika. (Je 35:1-16) Nilaza i Jonadaba hoe niandany tamin’i Jeho tamin’ilay ady tamin’ny fivavahana tamin’i Bala, ka niaraka taminy. Naripaka izay sisa rehetra tamin’ny havan’i Ahaba tao Samaria.—2Mp 10:15-17.
Naripany ny mpivavaka tamin’i Bala. Mody nampanao fivoriambe tao an-tranon’i Bala ho an’ny mpivavaka rehetra tamin’i Bala tany Israely i Jeho. Rehefa nohamarininy hoe tsy nisy mpanompon’i Jehovah tao, dia nasainy naripaky ny miaramilany izy rehetra. Narodan’ireo koa avy eo ny tsangambato masin’i Bala sy ny tranony, izay natao kabine hatramin’ny andron’i Jeremia mpanoratra ny bokin’ny Mpanjaka. “Toy izany no namongoran’i Jeho an’i Bala tsy ho eo amin’ny Israely.” (2Mp 10:18-28) Nivavaka tamin’i Bala indray anefa ny Israely sy Joda tatỳ aoriana ka nahita loza.—2Mp 17:16; 2Ta 28:2; Je 32:29.
Azo inoana fa tsy tian’i Jeho Mpanjaka hitambatra mihitsy tamin’ny fanjakan’ny Joda sy ny tempolin’i Jehovah tany Jerosalema ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely, ka navelany hitohy ny fivavahana tamin’ny zanak’omby (tany Dana sy Betela ny foibeny). ‘Tsy nanaraka tsara ny lalàn’i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamin’ny fony manontolo i Jeho. Tsy niala tamin’ny fahotan’i Jeroboama, izay nampanotany ny Israely, mantsy izy.’—2Mp 10:29, 31.
Nafana fo anefa i Jeho namongotra ny fivavahana tamin’i Bala sy nampihatra ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ny ankohonan’i Ahaba, ka nampanantenain’i Jehovah fa ho mpanjakan’ny Israely ny zanany lahy, hatrany amin’ny zafiafiny. Nandimby azy tokoa ny taranany, dia i Joahaza, Joasy, Jeroboama II, ary Zakaria (nisy namono tamin’ny 791 T.K. tany ho any). Nanjaka teo amin’ny Israely 114 taona teo ho eo àry ny tarana-mpanjaka avy tamin’i Jeho.—2Mp 10:30; 13:1, 10; 14:23; 15:8-12.
Nahoana no nataon’i Jehovah ampamoaka noho ny ra nalatsaka tao Jezirela ny taranak’i Jeho, nefa Izy ihany no naniraka an’i Jeho?
Hoy i Jehovah, ela be taorian’ny andron’i Jeho: “Kely sisa dia hataoko ampamoaka ny taranak’i Jeho noho ny ra nalatsaka tao Jezirela. Ary hataoko tsy hisy mpanjaka hitondra intsony avy amin’ny taranak’Israely.” (Ho 1:4) Tsy nahameloka ny taranak’i Jeho ny nandripahan’i Jeho ny ankohonan’i Ahaba satria nankasitrahan’Andriamanitra izany. Tsy nahameloka azy ireo koa ny namonoan’i Jeho an’i Ahazia mpanjakan’ny Joda sy ny rahalahiny. Lasa havan’ny ankohonan’i Omry ratsy fanahy mantsy ny mpanjaka taranak’i Joda rehefa nanambady an’i Atalia, zanakavavin’i Ahaba sy Jezebela, i Jorama mpanjakan’ny Joda zanak’i Josafata Mpanjaka.
Namela ny fivavahana tamin’ny zanak’omby hitohy tany Israely anefa i Jeho, ary tsy nanaraka ny lalàn’i Jehovah tamin’ny fony manontolo. Toa izay àry no nahameloka ny taranany. Nihevitra angamba izy (toy ny mpanjakan’ny Israely hafa), fa io fivavahana io no hahatonga ny fanjakany tsy hiankina amin’i Joda sy ho mafy orina. Tsy nino an’i Jehovah izay nanendry azy ho mpanjaka i Jeho, raha ny marina. Ara-drariny ny nampiharany ny didim-pitsaran’i Jehovah tamin’ny ankohonan’i Ahaba, saingy mety ho ny antony namelany ny fivavahana tamin’ny zanak’omby hitohy no nahatonga azy koa handatsa-dra.
Nihena ny herin’ny fanjakan’ny Israely rehefa tsy nanjaka intsony ny taranak’i Jeho. Naharitra 50 taona teo ho eo sisa ilay fanjakana. I Menahema Mpanjaka ihany, izay namono an’i Saloma (ilay namono an’i Zakaria), no nodimbiasan’ny zanany. Nisy namono koa io Pekahia zanany io, ary nisy namono i Peka, izay namono an’i Pekahia sy nandimby azy. Nentin’ny mpanjakan’i Asyria ho babo kosa i Hosea, mpanjaka farany tany Israely.—2Mp 15:10, 13-30; 17:4.
Ny fivavahana tamin’ny zanak’omby no tena fahotan’ny Israely, satria nampiala azy ireo tamin’i Jehovah ka nanimba azy. Navelan’ireo mpitondra hanjaka ny fanompoan-tsampy, izay nahatonga ny “ra nalatsaka tao Jezirela”, ny vonoan’olona, halatra, fanitsakitsaham-bady, ary heloka bevava hafa. Farany, ‘nataon’Andriamanitra tsy nisy mpanjaka nitondra intsony avy tamin’ny taranak’Israely.’—Ho 1:4; 4:2.
Norahonan’i Syria sy Asyria ny Israely. Tsy tena tia an’i Jehovah na nanaraka ny fitsipiny i Jeho, ka nampahorin’i Hazaela mpanjakan’i Syria, nandritra ny fitondrany. Nalain’izy io tsikelikely ny tanin’ny Israely teny ampitan’i Jordana. (2Mp 10:32, 33; Am 1:3, 4) Nihananatona koa ny Asyrianina izay te hamongotra ny Israely.
Asa soratra asyrianina misy hoe Jeho. Nanoratra i Salmanesera III mpanjakan’i Asyria fa nomen’i Jeho hetra. Hoy ny asa sorany: “Ny hetra naloan’i Jeho (Ia-o-a), zanak’i Omry (Ho-om-ri); ireto avy no voaraiko avy taminy: Volafotsy, volamena, ... vilia baolina volamena, vazy volamena izay matsokotsoko ny fanambaniny, kaopy volamena, siny volamena, firapotsy, tehina ho an’ny mpanjaka, (ary) porohto [tsy fantatra ny dikan’io] vita amin’ny hazo.” (Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 281) (Tsy zanak’i Omry akory i Jeho, fa nilazana ny mpanjakan’ny Israely indraindray ny hoe zanak’i Omry nanomboka tamin’ny andron’i Omry. Nahavita zavatra miavaka mantsy izy, ary nanorina an’i Samaria izay renivohitr’i Israely mandra-pandresin’i Asyria ny fanjakan’ny foko folo.)
Eo amin’ny Vatolahy Mainty io soratra io, sy ny sarin’ny irak’i Jeho angamba, miankohoka eo anatrehan’i Salmanesera sady manome hetra. Misy mpivaofy teny milaza fa io no sary voalohany ahitana Israelita. Tsy tena azo antoka anefa raha marina ny tenin’i Salmanesera, na raha tena sarina Israelita ilay sary. Mety ho nataon’ireny firenena ireny ho ratsy be mantsy ny sarin’ny fahavalony (olona osa, hafahafa, na maharikoriko koa no anaovan’ny firenena ankehitriny ny sarin’ny fahavalony).
4. Zanakalahin’i Obeda avy amin’ny fianakavian’i Jeramela, ary taranak’i Hezrona zanakalahin’i Pereza naterak’i Joda sy Tamara. Tsy nanan-janakalahy i Sesana taranak’i Jeramela, ka nomeny ho vadin’i Jara, mpanompony ejipsianina, ny zanany vavy. Nitera-dahy izy ireo, dia i Atahy razamben’i Jeho.—1Ta 2:3-5, 25, 34-38.
5. Simeonita zanakalahin’i Josibia, ary anisan’ireo mpiadidy teo amin’ny fianakavian’ny Simeonita nandringana ny Hamita sy ny Meonita teny akaikin’i Gedora, tamin’ny andron’i Hezekia mpanjakan’ny Joda. Naka ny toeram-ponenan’ireny ireo mpiadidy ireo, ary nonina teny niaraka tamin’ny biby fiompiny.—1Ta 4:24, 35, 38-41.