FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Nosy”
  • Nosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nosy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Fielezan’ny Fivavahana Kristianina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ireo Nosy Féroé Iray na dia Sarahin’ny Ranomasina Aza
    Mifohaza!—2010
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Nosy”

NOSY

Ny teny hebreo hoe ʼi (mr.:ʼiyim) no nadika hoe nosy. Manondro tany kely kokoa noho ny kontinanta ary voahodidin’ny rano izy io (Is 11:11; 24:15), nefa koa ilazana ny etỳ an-tanety (Is 42:15) na ilazana ny morontsiraka. (Is 20:6; 23:2, 6; Je 2:10) Ampiasaina an’ohatra mba hilazana ny mponin’ny nosy na mponina eny amoron-tsiraka ny ʼi. (Ge 10:5; Is 49:1; 59:18) Indraindray koa ny “nosy” dia midika hoe toerana faran’izay lavitra sy ny mponina any. (Is 41:5; 66:19; Ezk 39:6; jereo MAGOGA No. 2.) Tsy maintsy hisy vokany hatrany amin’ny toerana lavitra be sy tena mitokana toy ny nosin-dranomasina àry ilay horohoron-tany an’ohatra hamely an’i Babylona Lehibe. (Ap 16:18-21; ampit. Ap 6:12-14.) Toy ny “vovoka madinika” ny nosy rehetra, amin’i Jehovah.​—Is 40:15.

Anisan’ny nosy voatonona anarana ao amin’ny Baiboly i Sipra (As 13:4-6), Kosy, Rodo (As 21:1), Kreta (As 27:7), Kaoda (As 27:16), Malta (As 28:1), ary Patmo (Ap 1:9).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara