FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Ranomainty”
  • Ranomainty

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ranomainty
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Mandehana amin’ny maha-mpiara-miasa ao amin’ny fahamarinana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Fitoeran-dranomaintin’ny Mpitan-tsoratra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Penina, II
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Ranomainty”

RANOMAINTY

Mety ho avy amin’ny teny ejipsianina ny hoe deyôh (heb.), izay tsy hita afa-tsy ao amin’ny Jeremia 36:18. Miseho intelo monja ao amin’ny Soratra Grika Kristianina kosa ny hoe melan (2Ko 3:3; 2Jn 12; 3Jn 13), izay endriny milaza zavatra amin’ny hoe melas (“mainty”), mpamari-toetra amin’ny endriny milaza lahy.​—Mt 5:36; Ap 6:5, 12.

Vovo-javatra na loko no nafangaro ranoka misy ditin-kazo, lakaoly na verinia mba hahazoana ranomainty. Nampiraikitra an’ilay vovo-javatra tamin’izay nanosorana azy ilay ranoka. Rehefa jerena ny fanamboarana ranomainty sy santionana ranomainty tranainy indrindra, dia hita fa karbonina mainty ilay vovo-javatra, izay molaly avy tamin’ny fandoroana menaka na hazo, na arina miparasadrasaka avy tamin’ny biby na zavamaniry nodorana. Oksidana vy kosa no nahazoana ranomainty miloko mena. Nisy loko hafa koa nampiasaina fahiny. Nosoratana tamin’ny ranom-bolamena, hoy i Josèphe, ny Lalàna nadika sy nalefa ho an’i Ptolémée Philadelphe. (Rakitry ny Ela Jiosy, XII, 89 [ii, 11]) Mety ho nisy ranon-javamaniry (notampohina na tsia) koa natao ranomainty, saingy mora levona izy ireny ka efa ela no tsy hita intsony.

Nila nototoina malemy sy nafangaro ela tao anaty ranoka ny vovo-javatra, vao lasa ranomainty tena tsara. Nohamainina mba hivaingana sy notehirizina avy eo ny ranomainty. Noleman’ny mpitan-tsoratra ilay izy, vao natsobony tao ny borosy kely na zozoro fanoratany.

Efa ela no nalaza ho faran’izay matroka sy mateza ny ranomainty sinoa. Misy amin’ireny tsy mety afaka, na dia alona anaty rano herinandro vitsivitsy aza ny taratasy nosoratana taminy. Azo nofafana tamin’ny spaonjy na lamba mando kosa ny ranomainty sasany. Izany angamba no antony nilazan’i Jehovah hoe: “Ny anaran’izay nanota tamiko ihany no hovonoiko ao amin’ny bokiko.”​—Ek 32:33; jereo koa No 5:23; Sl 109:13, 14.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara