FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Holda”
  • Holda

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Holda
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Josia
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nahazo Sitraka Tamin’i Jehovah i Josia Nanetry Tena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Nitarika ny Vahoaka Hiverina Amin’i Jehovah Izy
    Manehoa Herim-po ho An’Andriamanitra
  • Tia ny Lalàn’Andriamanitra i Josia
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Holda”

HOLDA

(Holdà) [endriny milaza vavy amin’ny hoe Heleda, izay midika hoe “Faharetan’ny Fiainana; Ity Tontolo Ity”; na mety hidika hoe “Voalavo Mpihady Tany”].

Vadin’i Saloma sady mpaminanivavy nonina tany Jerosalema, tamin’ny andron’i Josia mpanjakan’ny Joda, izay tsy nivadika tamin’i Jehovah.

Naniraka olona tany amin’i Holda mba hanontany an’i Jehovah i Josia, rehefa reny izay voalazan’ilay “boky misy ny lalàna” hitan’i Hilkia mpisoronabe, tamin’ny fotoana nanamboarana ny simba tao amin’ny tempoly. Nolazain’i Holda an’ireo iraka ny tenin’i Jehovah hoe hanjo an’ilay firenena nivadi-pinoana ny loza rehetra noresahin’ilay “boky”, noho izy ireo tsy nankatò. Nilaza koa izy fa noho i Josia nanetry tena teo anatrehan’i Jehovah, dia tsy ho hitany ireo loza ireo, fa hangonina any amin’ny razany izy, ary amin’ny fotoana mampandry feizay ny tany no hahafatesany.​—2Mp 22:8-20; 2Ta 34:14-28.

Misy mihevitra hoe tsy marina ny faminanian’i Holda satria maty an’ady i Josia. (2Mp 23:28-30) Tsy midika hoe fotoana tsy misy ady anefa ilay “fotoana mampandry feizay ny tany” izay hahafatesan’i Josia. Ny tiana holazaina kosa dia hoe tsy mandritra ilay “loza” hanjo ny Joda izany no hitranga. (2Mp 22:20; 2Ta 34:28) Maty talohan’ilay loza tamin’ny 609-607 T.K. i Josia, izany hoe talohan’ny nanaovan’ny Babylonianina fahirano an’i Jerosalema sy ny nandravany azy. Ilay teny hoe ‘hangonina any amin’ny razana’ akory tsy midika hoe tsy ho faty an’ady ilay olona. Nolazaina hoe ‘nodimandry any amin’ny razany’ koa mantsy ny olona iray na maty an’ady izy na maty tsotra.​—Ampit. De 31:16; 1Mp 2:10; 22:34, 40.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara