FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Takodara”
  • Takodara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Takodara
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Vorona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ny Akoholahim-bato — Vorona Kanto ao Amin’ny Ala Mikitroka Amazonianina
    Mifohaza!—1998
  • Ny Fizahana Vorona — Fialam-boly Mahavariana ho An’ny Rehetra Ve?
    Mifohaza!—1998
  • Sakaizamboay
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Takodara”

TAKODARA

[Heb.: dokifat].

Mitovitovy habe amin’ny voromailala manifinify ny takodara (Upupa epops), izay toy ny lokon’ny kanelina ny volony, ary misy tsipika lehibe mainty sy fotsy ny elany sy lamosiny. Ny sangany misy tendrony fotsy sy mainty anefa no tena mampiavaka azy. Avy eo am-pototry ny vavany lava mifaingoka ka hatreo amin’ny hatony ilay sanga. Mareva-doko ilay vorona saingy tsy madio, satria ao anaty tany sy diky misavovona ary loto hafa ny vavany maranitra no mikaroka bibikely. Maloto sy maimbo koa ny akaniny noho ny menaka avoakan’ny fihariny sy ny dikiny avelany ao. Anisan’ny vorona maloto ka tsy navelan’ny Lalàn’i Mosesy hohanina àry ny takodara, na dia tsy mpihaza na mpihinana fatim-biby aza.​—Le 11:13, 19; De 14:12, 18.

[Sary, pejy 939]

Takodara, vorona tsara tarehy saingy tsy madio

Fahita eran’ny faritra atsimon’i Azia sy any Afrika ary Eoropa ny takodara. Mifindra monina mankany Palestina izy io eo am-piandohan’ny Martsa, fa rehefa ririnina indray vao mianatsimo mankany Ejipta sy ny faritra avaratr’i Afrika.

“Lavasanga” io vorona io, hoy ny Baiboly sasany (Le 11:19; De 14:18, Kat.), nefa tsy izany intsony no ampiasain’ny Baiboly maoderina. “Takodara” (epôps, LXX; upupa, Vg) izy io, hoy ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Vulgate latinina, ary manamafy izany ny anarany amin’ny teny syriàka (kakofa) sy arabo (hododo).

Mitovy amin’ny feony hafakely toy ny an’ny voromailala, hono, ny fanononana ny hoe dokifat (heb.), hoatran’ny fanononana ny anarany amin’ny fiteny hafa voalaza teo aloha ihany. Misy indray milaza fa avy amin’ny matoanteny hebreo midika hoe “mitoto” (ampit. No 11:8) ny hoe dokifat, satria mihady tany ny takodara rehefa mitady sakafo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara