FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Herodiasy”
  • Herodiasy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Herodiasy
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitsingerenan’ny Andro Nahaterahana Nisy Vonoan’olona
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Vonoana olona nandritra ny fankalazana ny fitsingerenan’ny andro nahaterahana
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Vonoana olona nandritra ny fanasana iray fankalazana fitsingerenan’ny andro naha
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Heroda
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Herodiasy”

HERODIASY

(Herôdiàsy).

Vadin’i Heroda Antipasy, ary nanan-janakavavy atao hoe Salome. I Herodiasy no nampirisika an’i Salome mba hangataka hoe hotapahina ny lohan’i Jaona Mpanao Batisa, tamin’ny taona 32, ary notanterahina izany. (Mr 6:22-28) Zanak’olo-mpiray tam-po ny ray aman-drenin’i Herodiasy. Aristobolo no anaran’io rainy io, ary zanak’i Heroda Lehibe tamin’i Mariamne I vadiny faharoa izy io. Anadahin’i Herodiasy i Heroda Agripa I, izay namono ny apostoly Jakoba, rahalahin’i Jaona.​—As 12:1, 2.

I Heroda Filipo no vadin’i Herodiasy tamin’ny voalohany. Azo lazaina hoe dadatoany izy io, satria rahalahin-drainy saingy hafa reny. Zanakalahin’i Heroda Lehibe (tamin’i Mariamne II vadiny fahatelo) mantsy izy io, ary nantsoina hoe Heroda Filipo mba hanavahana azy tamin’i Filipo, ilay lehibem-paritra tany Itoria sy Trakonitisy. (Lk 3:1) Niteraka an’i Salome tamin’i Heroda Filipo i Herodiasy, ary toa io ihany no zanany. Nisarahany anefa i Heroda Filipo ka nanambady an’i Heroda Antipasy izy. Rahalahin’i Heroda Filipo ihany izy io saingy hafa reny. Zanak’i Heroda Lehibe (dadaben’i Herodiasy) tamin’i Maltasy, vadiny fahefatra, mantsy i Heroda Antipasy. Nisarahan’i Heroda Antipasy koa ny vadiny voalohany (zanakavavin’i Areta mpanjaka arabo), mba hanambadiany an’i Herodiasy. Lehibem-paritra i Heroda Antipasy tamin’izany, ary izy ilay nantsoin’i Jesosy Kristy hoe “amboadia fetsy.”​—Lk 13:31, 32.

Rariny àry raha nilaza i Jaona Mpanao Batisa fa tsy mety ny nanambadian’i Herodiasy an’i Heroda Antipasy. Tsy azo atao mantsy ilay izy sady mamoafady, raha jerena ny lalàna jiosy. Nampidirina am-ponja i Jaona ary notapahin-doha tatỳ aoriana, noho ny nitenenany azy ireo. Lasa halan’i Herodiasy i Jaona satria sahy nanameloka azy, ka raha vao nahita hirika nahafahany namono azy izy, dia notanterahiny izany.​—Mt 14:1-11; Mr 6:16-28; Lk 3:19, 20; 9:9.

Niverina avy tany Roma i Heroda Agripa I, anadahin’i Herodiasy, tamin’ny taona 38, rehefa avy notendrena ho mpanjaka. Tezitra be i Herodiasy noho izany, satria ny vadiny lehibem-paritra fotsiny nefa zanaka mpanjaka. Tsy namelany àry ny vadiny raha tsy nankany Roma, satria nanantena koa hoe hotendrena ho mpanjaka ka homena fanjakana iray. Nitantara i Flavius Josèphe fa nandefa taratasy an-tsokosoko tany amin’ny Caligula Mpanjaka i Agripa, anadahin’i Herodiasy, ary niampanga an’i Antipasy hoe niara-nikomy tamin’ny Partianina. Natao sesitany tany Gaule àry i Antipasy, ary nanaraka azy tany i Herodiasy.​—Rakitry ny Ela Jiosy, XVIII, 240-256 (vii, 1, 2); Ny Adin’ny Jiosy, II, 181-183 (ix, 6).

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara