HARETA, ALAN’I
(Harèta) [Natao Sokitra].
Anisan’ny toerana niafenan’i Davida tamin’izy nenjehin’i Saoly. (1Sa 22:5) Mety ho avy amin’ny anaran’ny tanàna iray teo akaiky teo ilay hoe “alan’i Hareta.” Tsy fantatra izay tena nisy azy io tao amin’ny tanin’i Joda.