FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Helkata”
  • Helkata

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Helkata
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Haly
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Batena
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Aksafa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ako
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Helkata”

HELKATA

(Helkàta) [Toerana Marina Tsara].

Tanàna teo amin’ny sisin-tanin’ny fokon’i Asera. (Js 19:24, 25, 31) Nomena ny Gersonita izy io tatỳ aoriana, ka lasa tanànan’ny Levita. (Js 21:27, 30, 31) Hokoka no iantsoan’ny 1 Tantara 6:75 azy io. Mbola iadiana hevitra ny tena toerana nisy an’i Helkata. Misy mihevitra azy io ho i Kirbet el-Harbaja (Tel Regev), 18 km any atsimon’i Ako, ary akaikin’ny fototry ny Tandavan-tendrombohitra Karmela. Milaza anefa Ny Diksionera Ara-baiboly Misy Sary, nataon’i J. Douglas (1980, Boky Faha-2, p. 634), fa “aleo aza angamba mifidy an’i Tell el-Kasis” tokotokony ho 9 km any atsimon’i Kirbet el-Harbaja, toerana eo amin’ny fidirana mankao amin’ny Lohasahan’i Jezirela. Tanisain’ny Josoa 19:24-26 aorian’i Helkata mantsy i Haly sy Batena, izay voalaza fa tany amin’ny faritra atsimo amin’ny Lemak’i Ako. Raha i Tell el-Kasis (Tel Kashish) àry i Helkata dia tokony ho teo amin’ny fiandohan’ny zorony atsimoatsinanana amin’ny sisin’ny Lemak’i Ako izy io, fa tsy nanomboka avy tany avaratra nankany atsimo. Ilaina fantarina anefa ny tena toerana nisy ny tanàna hafa tononina miaraka amin’i Helkata mba ho azo antoka io filazana io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara