FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Bitrodia”
  • Bitrodia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Bitrodia
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Biby Mandinika
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Ny Antony Maha-fanomezan’Andriamanitra Ara-tsindrimandry ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Ny Siligaoma Sady Maoderina no Tranainy
    Mifohaza!—2002
  • Hazokely Manadio Nify
    Mifohaza!—2003
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Bitrodia”

BITRODIA

[Heb.: ʼarnevet].

Biby mpikiky isan-karazany anisan’ny fianakaviamben’ny bitro (Leporidae), saingy lehibe kokoa noho ny bitro. Tsy toy ny zana-bitro koa ny zanany satria tsy teraka ao anaty lavaka anaty tany, afaka mihetsiketsika, feno volo, ary mihiratra raha vao teraka. Sima molotra ny bitrodia, lava sofina, midingin-drambo, ary lava tanana sy tongotra ka afaka mitsoaka haingana. Mahatratra 70 km/ora aza, hono, ny hafainganam-pandehan’ny sasany. Mirefy 60 sm eo ho eo ny lavany, amin’ny antsalany. Somary mivolondavenona na mivolontsôkôlà ny lokony.

Tsy azo nohanina ny bitrodia, ary biby mandinika, araka ny Lalàn’i Mosesy. (Le 11:4, 6; De 14:7) Izay biby manana vavony misy kitapo vitsivitsy sy mamerina mitsako ny sakafo efa nateliny no hany sokajin’ny mpahay siansa ankehitriny hoe biby mandinika. Marina fa tsy hoatran’ireo ny bitrodia sy bitro. Tsy toy ny fanasokajiana ankehitriny anefa ny fanasokajian’ny Israelita tamin’ny andron’i Mosesy ny atao hoe “biby mandinika”, na dia midika ara-bakiteny hoe “mampiakatra” aza ny teny hebreo nadika hoe mandinika. Tsy mitombina àry ny filazan’ny mpitsikera maro hoe diso ny voalazan’ny Baiboly.

Nisy mpivaofy teny nino fa avy amin’Andriamanitra ny Baiboly, ka nilaza fa tsy diso ny voalazan’ny Lalàna. Hoy Ny Diksioneram-panjakana Momba ny Baiboly: “Hita fa mamerina mitsako an’izay sakafo efa nateliny ny bitrodia rehefa maka aina, ka izany ilay lazain’ny olona hoe mandinika. Na i Cowper poety izay mpandalina momba ny zavaboary aza nilaza fa ‘mandinika mandra-paharivan’ny andro’ ireo bitrodia telo nompiany izay nodinihiny tsara.”​—Nataon’i P. Fairbairn, Londres, 1874, Boky I, p. 700.

Tsy hoe mody mandinika fotsiny anefa ny bitrodia sy bitro, araka ny voka-pikarohana tato ho ato. Hoy i François Bourlière (Ny Fiaimpiainan’ny Biby Mampinono, 1964, p. 41): “Toa fahita amin’ny bitro sy bitrodia ny hoe mandalo indroa fa tsy indray mandeha monja ao amin’ny tsinainy ny sakafony. Ataon’ny bitro teli-moka ny dikiny rehefa alina, ka lasa efa ho ny antsasaky ny sakafo ao anaty vavoniny ilay izy rehefa maraina. Mandinika indroa isan’andro koa ny bitrodia sy ny bitrodia eoropeanina. ... Heverina fa izany no ahazoany vitaminina B maro be avy amin’ny bakteria ao anatin’ny sakafo ao amin’ny tsinaibeny.” Hoy koa ilay boky hoe Biby Mampinono Eran-tany (nataon’i E. Walker, 1964, Boky II, p. 647): “Toa hoatran’ny ataon’ny biby mandinika” no ataon’ny bitrodia.​—Jereo BIBY MANDINIKA.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara