HALA, I
(Hàla).
Toerana nitondran’ny mpanjaka asyrianina an’ireo Israelita azo babo. (2Mp 17:6; 18:11; 1Ta 5:26) Misy manam-pahaizana milaza fa tokony hatao hoe “Hala” ilay hoe “tovon-tany fiarovana” (TV) [“maro be”, Prot., JM; ‘tafika’, Kat.; “tafika marobe”, DIEM] ao amin’ny Obadia 20. Tsy fantatra hoe taiza marina i Hala, na dia misy toerana maromaro aza nolazaina fa nisy azy. Misy milaza fa i Hala ilay Hallaho resahin’ny soratra akadianina.