ALIKA MPIHAZA
[Heb.: zarzir môtnayim].
Alika matsilo maso, matsokotsoko vava, manifinify sy kely andilana, ary manana tongotra lava sy matanjaka. Haingam-pandeha be izy, satria mahavita 64 km/ora. Tsy fantatra anefa hoe inona marina ilay hoe zarzir môtnayim (a.b.t.: ilay [biby] misikina ny andilany). Baiboly maro no manao hoe “alika mpihaza” ao amin’ny Ohabolana 30:31 (TV, JM), fa misy kosa manao hoe “soavaly voaomana hiady.” (Prot.) Misy indray manao hoe “akoholahy” (BFC, Li) toy ny ataon’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Vulgate latinina. Manifinify sy kely andilana anefa ny “alika mpihaza”, ka mifanitsy tsara amin’ilay hoe “misikina ny andilany”, araka ny nandikana ara-bakiteny an’ilay teny hebreo. Mahalaza tsara ny “alika mpihaza” koa ilay hoe biby “tsara famindra” ao amin’ny Ohabolana 30:29.