FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Getsemane”
  • Getsemane

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Getsemane
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Oliva, Tendrombohitra
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Jerosalema sy ny Tempoly Tamin’ny Andron’i Jesosy
    ‘Jereo Ilay Tany Soa’
  • Zaridaina
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nosamborina i Jesosy
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Getsemane”

GETSEMANE

(Getsèmanè) [Famiazana Ahazoana Menaka].

Azo inoana fa zaridaina feno hazo oliva sady nisy famiazana oliva nahazoana menaka. Tany atsinanan’i Jerosalema izy io, teo ampitan’ny Lohasahan’i Kidrona (Jn 18:1), teo amin’ny Tendrombohitra Oliva, na teo akaikiny. (Lk 22:39) Mpankao matetika i Jesosy Kristy sy ny mpianany. (Jn 18:2) Nankany mba hivavaka izy sy ny mpianany tsy nivadika, ny alin’ny Paska taona 33. Tany i Jodasy Iskariota no nahita an’i Jesosy sy namadika azy. Tany koa i Jesosy no nosamborin’ny vahoaka nitam-piadiana.​—Mt 26:36-56; Mr 14:32-52; Lk 22:39-53; Jn 18:1-12.

[Sary, pejy 1017]

Toerana lazaina fa nisy an’i Getsemane, tazana avy eo amin’ny tendrombohitra nisy ny tempoly

Tsy fantatra ny tena toerana nisy ny zaridainan’i Getsemane, satria notapahin’ny Romanina daholo ny hazo nanodidina an’i Jerosalema tamin’izy ireo nanao fahirano azy io tamin’ny taona 70, araka ny voalazan’i Josèphe. (Ny Adin’ny Jiosy, VI, 5-8 [i, 1]) Milaza ny lovantsofina fa ilay zaridaina nofefen’ny Fransiskanina tamin’ny 1848 no Getsemane. Tokony ho 46 m ny lavany ary 43 m ny sakany. Eo am-pototry ny Tendrombohitra Oliva izy io, eo amin’ny ilany andrefana, ary eo amoron’ny sampanan-dalana. Misy hazo oliva valo efa hatramin’ny taonjato maro ao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara