FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Gersonita”
  • Gersonita

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Gersonita
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Gersona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Levita
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Eliasafa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Toby
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Gersonita”

GERSONITA

(Gersônìta) [An’i Gersona].

Taranak’i Gersona na Gersoma, avy tamin’i Libny sy Simey zanany roa lahy. Iray amin’ireo telo lahy zanak’i Levy i Gersona, ary ny anarany no voatonona voalohany. (1Ta 6:1, 16, 17) Nozaraina telo ny Levita ka iray tamin’ireo ny Gersonita. Nisy 7500 ny lahy iray volana no ho miakatra tamin’izy ireo, rehefa nisaina voalohany ny Israelita tany an-tany efitra. Nisy 2630 kosa ireo 30 ka hatramin’ny 50 taona nanompo tao amin’ny tranolay masina. (No 3:21, 22; 4:38-41) Ireto avy ny andraikitry ny Gersonita tany an-tany efitra: Tranolay masina (tranolay fihaonana) sy ireo rakony, lamba fanakonana ny fidirana amin’ilay tranolay, fefy lamban’ny tokotany, lamba fanakonana ny fidirana nankao amin’ny tokotany, ary tady fanenjanan-day. (No 3:23-26; 4:21-28; Ek 26:1, 7, 14, 36; 27:9, 16) Nitoby teo andrefan’ny tranolay masina izy ireo. Tao andamosiny somary lavidavitra kosa ny fizarana nisy ny tobin’i Efraima. (No 3:23; 2:18) Nanome sarety 6 nitafo sy omby 12 ho an’ny tranolay masina ireo mpiadidy, ka sarety 2 sy omby 4 no nomen’i Mosesy ny taranak’i Gersona. (No 7:1-7) Niaraka ny Gersonita sy ny Merarita rehefa nifindra toby, ka teo anelanelan’ny fizarana nisy ny tobin’i Joda sy ilay nisy ny tobin’i Robena izy ireo.​—No 10:14-20.

Nomena tanàna 13 sy ny kijanany tao amin’ny faritanin’i Manase, Isakara, Asera ary Naftaly ny Gersonita. Anisan’izany i Kedesy tany Galilia sy Golana tany Basana, roa tamin’ireo tanàna fialokalofana enina. (Js 21:27-33) Voatendry ho mpihira sy ho mpiandraikitra ny zava-tsarobidy ny Gersonita sasany, rehefa nalamin’i Davida ny asan’ny Levita. (1Ta 6:31, 32, 39-43; 23:4-11; 26:21, 22) Nisy Gersonita ireo Levita nanadio ny tempoly tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka.​—2Ta 29:12-17.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara