GERARA
(Geràra).
Toerana any akaikin’i Gaza, voatonona ao amin’ny fitantarana voalohany momba ny sisin-tanin’ny Kananita. (Ge 10:19) Taloha, dia maro no nilaza an’i Gerara ho i Tell Jemmeh (Tel Gamma), tokony ho 12 km any atsimon’i Gaza ankehitriny. Vao haingana anefa, dia maro ny mpahay jeografia nilaza an’i Gerara ho i Tell Abou Horeirah (Tel Haror), eo am-pototr’ireo tendrombohitr’i Jodia, ary tokotokony ho 19 km any atsimoatsinanan’i Gaza. Maro ny vakin-javatra vita tamin’ny tanimanga hita tany, ka voalaza fa efa tamin’ny andron’ny loham-pianakaviana fahiny toa an-dry Abrahama izy ireny. Nonina kelikely tao Gerara na nivahiny tao i Abrahama, ary toy izany koa i Isaka tatỳ aoriana. Samy voalaza fa nifandray tamin’i Abimeleka mpanjakan’i Gerara izy ireo. Azo inoana fa mpanjaka roa samy hafa ireo, ka mety hoe nitovy anarana izy ireo, na anaram-boninahitra ilay hoe Abimeleka.—Ge 20:1-18; 21:22-34; 26:1-31; jereo ABIMELEKA No. 1 sy No. 2.
Tonga hatrany Gerara ny tafik’i Asa Mpanjaka rehefa nanenjika ny tafika lehibe notarihin’i Zera Etiopianina. Nataon’i Jehovah resin’izy ireo mantsy ny Etiopianina. Taorian’izay, ireo Jodianina ireo dia namely sy nandroba “ny tanàna rehetra manodidina an’i Gerara” (satria angamba niray hina tamin’ny Etiopianina ny tao Gerara). “Na ny tranolain’ireo mpiandry ondry aza dia notafihin’izy ireo koa, ka andian’ondry maro be sy rameva no nobaboiny.”—2Ta 14:8-15.
Misy manam-pahaizana milaza hoe tokony hahitsy ilay “Gedora” ao amin’ny 1 Tantara 4:39, 40 ka hovana hoe “Gerara” (toy ny ao amin’ny LXX). Milaza io andininy io fa faritra nonenan’ny taranak’i Hama i Gedora taloha sady nisy tanimbilona lonaka tsara. Mitovy amin’izany ny faritra nanodidina an’i Gerara voalaza ao amin’ny Baiboly.