(Gebìma) [Tatatra].
Anaran-toerana. Nitady fialofana ny mponina tao rehefa nihananatona ny tafika asyrianina mba hanafika an’i Ziona. Azo inoana hoe tamin’ny andron’i Hezekia izany no nitranga. (Is 10:24, 31; ampit. toko faha-36, 37.) Tsy fantatra izay tena nisy an’i Gebima.