FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Gebala”
  • Gebala

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Gebala
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Ranomasina Lehibe
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sarida
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Josoa, Bokin’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Beti-dagona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Gebala”

GEBALA

(Gebàla) [mety hidika hoe Faritany; Sisin-tany], Gebalita (Gebalìta).

1. Tanàna fenisianina teny amoron’i Mediterane i Gebala. Misy mihevitra azy io ho Jebeil, 28 km eo ho eo avaratra avaratratsinanan’i Beyrouth. Milaza ny mpahay tantara sasany fa anisan’ny tanàna tranainy indrindra tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane i Gebala, izay antsoin’ny Grika hoe Byblos. (Jereo Js 13:5.) Ny fanamboarana taratasy papyrus no nampahalaza an’i Byblos. Nilazana asa soratra, horonam-boky, boky, ary ny fitambaran’ireo boky kely ao amin’ny Baiboly ny hoe biblia, tatỳ aoriana.

Nilaza i Jehovah fa anisan’ny faritra mbola tsy azon’ny Israely “ny tanin’ny Gebalita”, tamin’ny andron’i Josoa. (Js 13:1-5) Nokianin’ny mpanao tsikera anefa izany. Tany avaratra be (100 km eo ho eo avaratr’i Dana) mantsy, hono, i Gebala, ary tsy nofehezin’ny Israelita mihitsy. Misy manam-pahaizana milaza fa nisy nanova ny teny hebreo eo amin’ilay andininy, ka tokony hoe “ilay tany akaikin’i Libanona” na ‘hatrany amin’ny sisin-tanin’ny Gebalita’ no eo, fa tsy hoe “ny tanin’ny Gebalita.” Tsara homarihina anefa fa misy fepetra ilay fampanantenan’i Jehovah ao amin’ny Josoa 13:2-7. Tsy lasan’ny Israely mihitsy àry angamba i Gebala, noho izy ireo tsy nankatò.​—Ampit. Js 23:12, 13.

Nanampy an’i Solomona hanomana an’ireo fitaovana hanorenana ny tempoly ny Gebalita, tamin’ny taonjato faha-11 T.K. (1Mp 5:18) Nilaza i Jehovah fa anisan’ireo nampandroso ny varotra tany Tyro sy nampahalaza azy, ireo ‘zokiolona efa za-draharaha avy any Gebala.’​—Ezk 27:9.

2. Tanàna voatonona miaraka amin’i Amona sy Amaleka i Gebala ao amin’ny Salamo 83:7, ary toa tany atsimon’ny Ranomasina Maty na tany atsinanany izy io. Tsy fantatra marina hoe taiza no nisy azy, na dia misy manam-pahaizana aza milaza fa tany akaikin’i Petra izy io, 100 km eo ho eo avaratra avaratratsinanan’ny Hoalan’i ʽAkaba.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara